Politika

Filohan’ny Antenimierampirenena: « Hamafisina ny ezaka efa natao »

“Momba ny fiainana andavanandron’ny mponina, mbola mampirisika hatrany ny governemanta sy ny tomponandraikitra samihafa hanamafy sy hanatsara ny ezaka efa ataonareo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny Antenimierampirenena”. Io no anisan’ny namba­ran’ny filohan’ny Antenimie­ram­pirenena, i Tokely Justin, tamin’ny kabary fanombohana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera teny Tsimbazaza, omaly. Mampita­raina vahoaka […]

Filoha Rajoelina Andry : Hifandray mivantana amin’ny besinimaro

Namoaka fanambarana fohy tao amin’ny tambajotran-tseraserany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly. Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny tenany. «Nandray fanapahan-kevitra aho ankehitriny fa hi­fandray mivantana aminao”, hoy izy. Nanteriny tamin’izany fa manan-jo hahalala ny zava-misy marina rehetra ny tsirairay. “Adidy iombonana ny fampandrosoana […]

Famedev : Hanadihady ny fampahalalam-baovao

Marihina amin’ity 6 mey ity, maneran-tany, ny fanadihadiana sy fitrandrahana ny fomba fiasan’ny fampahalalam-baovao mifantoka amin’ny fanomezan-danja ny vehivavy “Projet mondial de monitorage des médias – Global Media Monitoring Project” (GMMP). Efa fanao isaky ny dimy taona izany ka anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika iray ity ny eo anivon’ny “Femmes […]

FANTINA sy FINTINA

Namaly ny depiote Afakandro Christian ny go­vernoran’i Boeny, Andriatomanga Mokthar Salim. Namba­rany fa miasa eny Amborovy sy any amin’ny Fitim ireo fitaovan’ny faritra “niveuleuse – chargeur – bulldozer – compacteur”. “Azo hamarinina eny izany fa diso ny nambara ny amin’ny nampanofana izany”, hoy izy. Nivoaka ny fonjan’Antanimora, omaly tamin’ny 9 […]

Fotoam-pivorian’ny Antenimiera : Vonona hifanatrika amin’ny governemanta ny depiote

Hisokatra anio ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity ho an’ireo parlemantera roa tonta. Andrasan’ ireo depiote eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izany ny fifanatrehana amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Anisan’ny tsy maintsy ho tafiditra amin’ny lahadinika amin’izao fivoriana izao, tahaka ny efa mahazatra, araka ny voalazan’ny lalàna, ny fandinihana ny volavolan-dalàna […]