Hiverina tsy ho ela eny amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana nasiam-panavaozana, araka ny nambaran’ny mpampankatenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika. “Mbola afaka mangataka fanitsiana ireo olom-pirenena mahita fahadisoana amin’ny mombamomba azy ao anatin’izany lisi-pifidianana nasiam-panavaozana izany”, hoy izy. Nambarany fa hifarana sy hikatona tanteraka any amin’ny 15 mey any ho any izany lisitra […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry : “Tsy omena fotsiny ny mariboninahi-pirenena”
Nanatrika ny fanombohan’ny fivorian’ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny mariboninahi-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny tamin’izany. “Tsy omena fotsiny ny mariboninahi-pirenena, fa natokana ho an’ny olona tena nanao ny asany mivaingana sy azo tsapain-tanana ho an’ny firenena”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny mariboninahi-pirenena, […]
Fikambanam-behivavy : Tafajoro ao Mahajanga ny Famedev
Famedev, « Femmes en Action, Media, Genre et Développement », manitra hatrany ny sehatra iasany sy hitondrany fampandrosoana. Efa ahitana mpikambana eo anivon’izy ireo koa izao ny amin’ny faritra Boeny, ao Mahajanga. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tany Mahajanga ny fikambanana, ny […]
FANTINA sy FINTINA
Samy nandefa solontena nankalaza ny 8 marsa niaraka amin’ny vehivavy Tim Analamanga ireo avy amin’ny distrika manodidina, ny sabotsy teo. Nomarihina tamin’ny alalan’ny diabe, niainga teny amin’ny foiben’ny antoko teny Bel Air izany ary nihazo ny teny amin’ny Magro Behoririka. Nisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana tamin’izany. Hentitra sy nahitsy ny lahatenin’ny […]
Depiote Randrianasolo Jean Nicolas : “Aleo mifampiresaka fa tsy hidina an-dalambe”
“Tsy laharam-pahamehana intsony ny hoe fitakiana na filazan-javatra dia hitaona ny olona hidina an-dalambe. Ny olana : izay manana fahefana tsy mihaino ny olona manakiana azy amin’ny ataony sy izay tsy tsapan-dry zareo”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko GJMP tany Betroka, Faritra Anosy, Randrianasolo […]




