Politika

Fihaonana tamin’ny praiminisitra : Manohana ny vinan’ny filoha ny rantsan’ny ONU

Notanterahina teny Ivato, omaly, ny fihaonana teo amin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy ireo rantsamangaikan’ny Firenena mikambana (ONU), eto Madagasikara. Niompana tamin’ny fiaraha-miasa ny dinika. Voaresaka ary anisan’ny nifampidinihina teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny fanohanan’ireo rantsan’ny ONU ireo vina sy ny fanambin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tahaka izany koa […]

Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: “Aoka ny mpanao gazety ho sarotiny amin’ny asany”

Notanterahina tany Morondava ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nanatrika izany ny minisitra Volamiranty Mara Donna. Nanafatrafatra ny mpisehatra amin’ny asa fa­naovan-­gazety ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, afakomaly, tany Moron­dava . “Aoka mba ho saropiaro amin’ny asantsika isika. Tsy hamela na […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny momba ny asa fanaovan-gazety. “Ampirisihiko ireo tena mpanao gazety hanatanteraka ny asany am-pahamendrehana”, hoy izy tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Niarahaba sy nirary soa ireo miasa eo amin’io tontolo io ny filohan’ny Repoblika. Homarihina sy hankalazaina ny faha-1 700 taonan’ny konsily tany […]

Hafatry ny mpiandraikitra foibe FJKM : “Aoka hojerena ny fahoriam-bahoaka”

Nivory ny herinandro teo, tao amin’ny CFD Ampan­drana, ny eo anivon’ny mpiandraikitra foibe FJKM. Nampita hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka ary ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana izy ireo tamin’izany. “Miantso ny mpitondra fanjakana handray andraikitra sy hitondra vahaolana manoloana ny fahasahiranana sy ny fahorian’ny va­hoaka. Na ara-toekarena, […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Hanafatra trakitera ny fitondram-panjakana

Nitondra fanazavana momba ny toe-draharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny hanavaozana ny tontolon’ny fambolena hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nasongadin’ny filohan’ny Repoblika fa hanafatra trakitera ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, niainga amin’ilay lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ny COI farany teo momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fambolena. “Ha­tsangana […]