Politika

FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana noho ny fetin’ny asa, ny 1 mey teo, ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa miaraka manangana ny firenena ao anatin’ny herim-po sy ny fitiavana ary mitondra anjara biriky amin’ny fanorenana sy fampandrosoana ny firenena isika. “Man­ka­sitraka ny ezaka sy ny fanoloran-tenan’ny tsirairay izahay”, hoy izy. Miharatsy hatrany ny […]

Vinavinan’ny Ceni : faran’ny mey ny hamerenana ny fifidianana

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa namolavola tetiandro hanatanterahana ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna izy ireo. Mbola mitaky fepetra anefa ny hanaovana izany. Novinavinain’ity rafitra mi­karakara sy mpanomana fifidianana ity fa tokony hotanterahina ny faran’ny volana mey any ho any ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna. Efa miomana ny […]

Tafa amin’ny vahoaka Malagasy ; Hanazava ny raharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry

Hitafa mivantana amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, rahampitso alahady. Tombanana fa anisan’ny hambarany amin’izany ny momba ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Anisan’ny mety hiton­drany fanazavana bebe kokoa ny momba ireo Nosy manodidina “Iles Eparses”. Zary niteraka resabe ny momba ny fifandroritana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara, indrindra […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola afaka manapa-kevitra amin’ny daty hamerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa miandry ny fanapahan-kevitry ny filankevi-panjakana izy ireo. “Miankina amin’izany ny hamerenana ny fifidianana. Na izany aza, efa namolavola daty hanaovana izany amin’ny faran’ny mey ity izahay”, hoy ny Ceni. Ny fiantraikan’ny fisintahan’ny […]

Tatitry ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina : “Hisitraka ireo sonia fiaraha-miasa ny faritra rehetra”

Nanao tatitra ny akon’ny fihaonana an-tampon’ny COI sy ny fitsidihan’ny filoha Frantsay, Emmnuel Macron, farany teo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. “Samy hisitraka ireo fifanarahana fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamin’ny COI sy i Frantsa ny faritra rehetra. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny resaka angovo”, hoy izy tetsy Am­pefiloha, […]