Politika

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : Nohavaozina sy nohatsaraina ny efitrano fivoriana

Nandritra ny 20 taona, tsy nisy fanamboarana ny efitrano fivoriana eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy. Amin’izao, nohavaozina sy nohatsaraina izany fandraisana fivoriana iraisam-pirenena sy fifanaovan-tsonia amin’ireo firenena avy any ivelany izany. Mariky ny fa­hombiazan’ny diplaomasia malagasy amin’ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izao nahazoana nanao ny fanavaozana izao. “Lanonana […]

Fitantanana ny eny anivon’ny kaominina : Nofanin’ny MFFT ireo mpiandraikitra eny ifotony

Nanomboka omaly ary haharitra hefarana ny fampiofanana ireo ho mpampiofana ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny any (MFFT) izany ary tantera­hina etsy amin’ny FDL Anosy. Nambaran’ny tomponandraikitra fa hatao izao mba hanamafisana ny fahaiza-manao teknika sy ara-panabeazana ho an’ireo voakasika. « Hahafahany manohana […]

Fitantanana: Miahiahy ny fampiasana vola ny MMM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Anisan’ny nambaran’izy ireo, tamin’izany, ny fisaorany ny eo anivon’ny solontena maharitry ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola azo tamin’ny farany teo. Efa nanoratra mialoha tany amin’ity rafitra ara-bola maneran-tany ity rahateo ny antoko MMM. Na izany aza, hentitra ny fanambaran’izy […]

Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny AFD : Namaha ny olana eny ifotony ny tetikasa Lalankely

Hiditra amin’ny andiany fahefatra ny Tetikasa lalankely. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny AFD ary ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE) izany. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fanajariana ny tany, Rakotomalala Mian­galy, tetsy Anosy, omaly, fa nanova ny fiainan’ny mponina sy namaha ny olana teny […]

FANTINA sy FINTINA

Nanentana ny rehetra ho mailo ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Nambarany fa marobe ny mpisoloky ara-bola amin’izao fotoana izao. “Ao ireo milaza fa mampindram-bola na mahavita mampitombo vola, na manampy ara-bola. Maro ny mpisoloky amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nametraka samboady ireo ben’ny Tanàna voafidy […]