Politika

Fako sy ny fifamoivoizana: Miara-miasa ny MFFT sy ny CUA ary i Japon

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny delegasionina Japoney, eo anivon’ny Jica. Anisan’ny niompanan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hijerena ny fanatsarana an’Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ilay tetikasa lehibe iarahana amin’ny masoivoho japoney ho an’ ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) momba ny […]

Fitantanana: Ho amin’ny tombontsoa iombonana ny politika sy ny fanjakana

Mahabe resaka ny sasany ny hoe politika sy fanjakana; eny, na ny governemanta aza. Indraindray, mila hifangaro be ihany… Inona ny marina? Ho amin’ny tombontsoa na soa iombonana ny hoe politika sy fanjakana. Andrana fanadihadiana… Manondro tanàna voalamina ny hoe politika amin’ny teny grika fahiny. Midika hoe lalàmpanorenana sy olom-pirenena […]

FANTINA sy FINTINA

Mitsidika ny any New Delhi Inde, ireo delegasionina tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nanomboka afakomaly ny fivahinianana any an-toerana ka nihaonan’ny delegasionina tamin’ny mpirakidraharaha eo anivon’ny masoivoho malagasy, Rasamoelina Tahina. Hihaona amin’ireo mpitondra izy ireo aorian’izany. Any New York Etazonia ireo loholona mirahavavy, Ramarosoa Emiline sy Raharinirina Sidonie, amin’izao fotoana […]

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : Nohavaozina sy nohatsaraina ny efitrano fivoriana

Nandritra ny 20 taona, tsy nisy fanamboarana ny efitrano fivoriana eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy. Amin’izao, nohavaozina sy nohatsaraina izany fandraisana fivoriana iraisam-pirenena sy fifanaovan-tsonia amin’ireo firenena avy any ivelany izany. Mariky ny fa­hombiazan’ny diplaomasia malagasy amin’ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izao nahazoana nanao ny fanavaozana izao. “Lanonana […]

Fitantanana ny eny anivon’ny kaominina : Nofanin’ny MFFT ireo mpiandraikitra eny ifotony

Nanomboka omaly ary haharitra hefarana ny fampiofanana ireo ho mpampiofana ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny any (MFFT) izany ary tantera­hina etsy amin’ny FDL Anosy. Nambaran’ny tomponandraikitra fa hatao izao mba hanamafisana ny fahaiza-manao teknika sy ara-panabeazana ho an’ireo voakasika. « Hahafahany manohana […]