Politika

Fampandrosoana eny ifotony : Nanova ny tanànan’i Morondava ny tetikasa Mor’af

Notanterahina tetsy Ankorondrano, omaly ny atrikasa ho fanamafisana ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Tafiditra anatin’izany ny tetikasa “Morondava Adaptation Fund – Mor’af”, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nivoitra tamin’izany fa tetikasa mamaly ny hetaheta eny ifotony ny Mor’af, niarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. “Miova endrika izao ny […]

Ben’ny Tanànan’Antananarivo: Ezahina ny fanavaozana sy fanadiovana ny tanàna

Nanatanteraka fitsidihana teny anivon’ny toerana maro samihafa eto Antananarivo ny ben’ny Tanànan’An­tana­nari­vo, Ramanantsoa Harilala, afakomaly. Anisan’izany ny farihin’Anosy, ny tunnel Am­banidia, ny lapan’Andafia­varatra sy ny maro hafa. “Averina amin’ny endriny taloha ny farihin’Anosy ary mitohy ny fanadiovana manodidina an’Anosy mba hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna”, hoy izy. Toy ny […]

Fanaovan-gazety : 70 taona ny Imongo Vaovao

22 avrily 1955-2055. Feno 70 taona ny gazetin-kevitra Imongo vaovao, nomarihina teny Ampandrana, afakomaly, notarihin’ny tomponandraikitra Rabesahala Jean Luc. Notsiahiviny fa fameloma-maso ny asa sy ny foto-kevitra navelan’i Jean Ralaimongo no tanjona. Tao anatin’ny vanim-potoana nitakian’ny zanatany fahaleovantenany no nahaterahan’ny Imongo Vaovao. Niaina ireo vanim-potoana fanjanahantany izy, ny fanjanahantany tamin’ny […]

Fahatongavan’ireo delegasionina : Nitsena ireo vahiny rehetra ny Praminisitra Ntsay Christian

Nisahana ny fitsenana ireo vahiny, filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’izao hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny COI izao. Vahiny voalohany notsenainy, afakomaly, ny filohan’ny Repoblikan’i Seychelles, Wavel Ramka­lawan sy ny vadiny, Linda Ramkalawan. Anisan’ireo han­dray anjara amin’ny fivorian’ny COI, hatao eny Ivato, anio izy […]

Fandevenana ny Papa François: Lasa any Vatican ny kardinaly Tsarahazana

Nihazo ny any Vatikana, omaly ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Désiré hiatrika ny fandevenana ny Papa François. Hotanterahina ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina izany, ao amin’ny Bazilikan’ny Sainte Marie Majeure. Aorian’izany, tanterahina eo anelanelan’ny 12 hatramin’ny 20 andro aorian’ny fahafatesan’ny papa ny fihibohana “Conclave”, hifidianana ny handimby […]