Mitohy hatrany ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana ataon’ny Ceni. Nisy ny hetsika manokana fanomezana karapanondro sy kara-pifidianana ho an’ireo mpifidy traboina tao Ivandrika Farafangana, omaly. Ny filohan’ny Ceni, i Dama Arséne, no nitarika izany tany an-toerana niaraka tamin’ireo olom-panjakana sy tomponandraikitra avy ao an-toerana. “Taom-pahombiazana […]
Politika
Iarivo Mandroso : Tanjona ny hamerina ny hasin’Iarivo
« Hanova sy hitondra fampandrosoana ho an’ny tanànan’ Antananarivo no tanjonay», hoy i Lalatiana Ravololomanana, mpanolotsaina miray lisitra amin’ny kandidà Ndriana Razanamasy mirotsaka ho fidina ben’ny Tanàna eto Antananarivo. Nisy ny fihaonana ho an’ny mpanao gazety nataony omaly, teny amin’ny birao fiasany, teny Analakely. Tao anatin’izany no nitaterany ny zava-bitan’izy ireo […]
Antananarivo Renivohitra : manohana ny kandidà Harilala Ramanantsoa ny antoko Avi
“Vehivavy ihany no mahafantatra ny marary ny zanany ka vonona izahay hanohana an’i Harilala Ramanantsoa”, hoy ny antoko Asa vita ifampitsarana (Avi). Nivoaka tamin’ny fahanginany Ratsirahonana Lala Norbert. Nanao fanambarana teny amin’ny foibe toerany eny Antsahavola ny antoko Asa vita ifampitsarana na ny Avi, omaly. Nilaza ny mpitarika fa manohana […]
FANTINA sy FINTINA
Namoaka fanambarana ny AKFM Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo, fa manohana ny kandidà lah.7 atolotry ny vondrona Irmar ho ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Fitaratra eo amin’ny fahavononany hiasa sy hanatontosa ny hanatanteraka ny fandaharanasa mifanojo amin’ny lalam-pivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Hampitomboina ny taham-bokatra”
“Ny zava-dehibe dia izao: hampiakarintsika ny taham-bokatra eto Madagasikara. Amin’izay fotoana izay, mahazo mivelona tsaratsara ny vahoaka malagasy. Afa-miahy ny fianakaviana izy eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana, indrindra ny fiainana sy fihariana.” Izay no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, afakomaly, tamin’ny fankalazana ny Androm-pirenena […]