Miroso mankany amin’ny niomerika ihany koa ny fiahina ara-tsosialy eto Madagasikara ankehitriny. Hitondra vokatsoa maro izao firosoana any amin’ny niomerika izao ary hanala fahasahiranana ho an’ireo mpisitraka izany. «Sambany vao tsara tantana ny Cnaps ary manana ambim-bava izy ireo amin’izao», hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Nivoitra izany nandritra ny lanonana […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Notsikerain’ny depiote sady lehiben’ny fanoherana, Randrianasoloniaiko Siteny, ny mpitondra. «Amin’ny tany repoblikana sy demokratika rehetra, na ny mpitondra mahita vahaolana na ny mpitondra mametra-pialana manoloana ny tsy fahombiazana azo tsapain-tanana tahaka izao eto amintsika izao», hoy izy. Manodidina ny 28% eo ny taham-pahavitrihan’ ny mpifidy tamin’ireo fifidianana ben’ny Tanàna eto […]
Antoko Fiombonan: “Tokony hitandrina amin’izay lazainy ny filoha”
“Tokony hitandrina ny filohan’ny Repoblika manoloana ny zavatra lazainy. Satria filohan’ny Repoblika izy. Raha minisitra no misy fampanantenana ataony amin’ny vahoaka, mbola azo eritreretina hoe ny Praiminisitra mety hiaro an’ izay minisitra solafaka amin’ny teniny izay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka politika sady sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin. Nizara […]
Hetsi-bahoaka amin’ny jiro sy rano : nokianin’ny depiote mpanohitra ny fihetsiky ny Emmo/REG
Nokianin’ireo depiote mpanohitra teny Tsimbazaza, omaly, ny fihetsiky ny Emmo/Reg, manoloana ny hetsi-bahoaka amin’ny olan’ny jiro sy rano. Nitondra valin-kafatra momba izany ny mpitandro filaminana. Notsiahivin’ny delege misahana ny zandary, ny Jly Rakotondrazaka Andry, nanoloana ireo depiote fa ahitana vondron-kery telo: Tafika, polisy ary zandary ireo mpitandro filaminana ahetsika amin’ireny […]
Jly Ravalomanana Richard: «Aoka tsy hifampiaroaro fahatany»
Naneho ny heviny manoloana ireo mpitsara efatra ahina ho tsy nanara-dalana ka noesorina ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nampahery ny minisitry ny Fitsarana ny tenany. “Tsy azo ekena ny fifampiarovana befahatany na koa fampifangaroana foko sy fiaviana sy fivavahana na koa asa… Tsy hitondra antsika any amin’ny fahamarinana […]




