Tsy hita be ihany ny antoko amin’ny tontolo politika amin’izao? Mampahazo vahana ny mahaleo tena na tsy miankina… Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny AKFM, eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Razanatoandro Solofoniaina. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Nahoana ny antoko no tsy miantsehatra firy intsony amin’ny […]
Politika
Mitaky asa maika sy miantraika amin’ny vahoaka
Nianoka sy niaina ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha, omaly, ny Malagasy. Fotoana nitakian’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny governemanta ny tsy maintsy hanafainganana ny asa misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. Notanterahina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny filankevitry ny ministra voalohany amin’ity taona 2025 ity. Nitarika izany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, […]
Fifidianana ben’ny Tanàna: hanomboka hivoaka ny 20 janoary ny vokatra
Raha tsiahivina, nanomboka ny 20 desambra 2024 no namoaka ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny rafitry ny Ceni teny anivon’ny renivohi-paritany na ny Structure provincial Ad’hoc de traitement des resultats communales (Spatrec). Nanomboka izany ny faritanin’ Antananarivo ny 20 desambra 2024. Ny 21 desambra ny […]
Prefet an’Antananarivo “Tsy azo ekena ny hetsika etsy amin’ny 13 mey”
Nilatsaka ny fampitandremana. Nambaran’ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa vonona hatrany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana, amin’ny alalan’ny OMC, hisoroka ny mety ho korontana. “Tsy azo ekena velively ny hanaovana hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey na ny manoloana ny Lapan’ny Tanàna”, hoy izy, omaly. Nohamafisiny fa tena […]
Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Aoka tsy hakorontana ny firenena”
“Miantso fitoniana isika amin’izao fotoana izao. Aoka tsy hakorontana ny firenena amin’ny alalan’ny teny fihantsiana hoe fanaovana iray sy iray. Raha fanaovana sy fifanandrinana politika no resahina: ny iray sy iray, efa vita ny fifidianana filohan’ny Repoblika”. Io ny hafatry ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny […]




