“Misitrika aho fa mamy ny miaina”, hoy ny ampahan’ny fananambaran’ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, Djavojazara, omaly 11 febroary. Niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ny horonantsary maneho izany. Tsiahivina fa efa nametrahana PDS ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I. Hametraka fitoriana ny eo anivon’ny minisitera misahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). […]
Politika
Loholona Ndremanjary Jean André : “Tsy mampandroso ny Tetezamita”
“Tsy mampandroso izany Tetezamita fiaraha-mitantana izany. Olona tsy mitovy programa ve no hiara-kitantana? Ny an’iza no tena hotanterahina? Aleo ny filoha Rajoelina Andry amin’ny nifidianan’ny olona azy hanao ny azy hatramin’ny farany”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Ndremanjary Jean André, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fitakian’ny mpanohitra sasany amin’izao. Efa […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Mamaritra ny lalana handrosoana ny tantara”
Nanome voninahitra ny fahatsiarovana ny faha-50 taona nahalavo ny Kly Ratsimandrava Richard, omaly, teny Ambohijatovo Ambony, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nisy ny hafatra fohy nambarany tamin’izany. Nampitainy ny fiombonam-pon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana sarobidy izao. « Ny tantara tsy fanadino ary izany no mamaritra ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantatra an’ireo mpiara-miombona antoka ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra, tamin’izany, fa manamarika ny dingana efa vita izany sady efa fandraisana andraikitra eo anivon’ny CSI manoloana ity ady ity. Miroso amin’ny fametrahana ny “digitalisation” ny eo anivon’ny Apipa […]
Andrianainarivelo Hajo: “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka”
Andrianainarivelo Hajo “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka” Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM), Andrianainarivelo Hajo. Anisan’izany ny momba ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I. “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka. Tsy azo ekena velively ny hala-bato sy ny bodongerona atao amin’ny vahoakan’Antsiranana”, hoy izy. Nambarany fa […]





