Voaasa manokana ny filoha Rajoelina Andry hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny governemanta maneran-tany (WGS 2025), any Dubaï, Émirats Arabes Mitambatra. Tanterahina ny 11-13 febroary ny fihaonana ka efa any an-toerana ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. 30 any ho any ireo filoham-panjakana hanatrika izany. An-jatony ireo mpandray anjara, ahitana filohana fikambanana iraisam-pirenena […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Tsy maty ato an-tsaina ary mandrotika fo ny ratra sy ny banga navelan’ireo havantsika lavo ho an’ny Tanindrazana, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha Rajoelina Andry, ny 7 febroary teo. “Hitodika amin’ ny hoavy isika ary hibanjina fampandrosoana. Tsy ho raraka an-tany ny ran’izy ireo, noho ny fitiavan-tanindrazana”, hoy izy. Nanao […]
Fitsimbadihan’ny voka-pifidianana : Naneho ny alahelony Ratsiraka Sophie
Nahitsy ny depiote Ratsiraka Sophie, manoloana ny fivadihan’ny voka-pifidianana amin’ny kaominina Mahatsara Vatomandry. Nambarany fa nanao didy jadona amin’ny fametrahana kandida tsy voafidim-bahoaka ny fanjakana. Tsy misy ny demokrasia nefa izany no tokony himasoana, araka ny nambarany. “Very zo ny vahoaka raha efa nandresy 75% ny kandida nofidin’izy ireo. Natao […]
Ceni : Miandry ny Filankevi-panjakana ny famerenana fifidianana
Nitondra fanazavana manoloana ireo fifidianana ben’ny Tanàna haverina ny eo anivon’ny Ceni. Nambarany fa misy ny dingana arahana amin’izany. “Araka ny voalazan’ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana: misy 12 ireo kaominina hoe haverina ny fifidianana. Misy amin’ireo kaominina ireo anefa no nampiakatra ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana”. Io […]
Fivarotana nosy amin’ny Emiratis : Nodisoin’ny fanjakana ny vaovao miely
Namoaka fanambarana mandà marindrano ireo lainga aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, milaza ny fivarotana ireo nosy maromaro manodidina an’i Nosy Be amin’ny mpampiasa vola vahiny, Emiratis, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nohitsin’ny fanambarana fa tsy misy fangatahana voaray na fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana malagasy ho an’ny […]





