Politika

minisiteran’ny fitsarana: hatsangana ny fisafoan-draharaha ankapobeny

Hatsangana amin’ity taona ity ny Fisafoan-draharaha ankapoben’ny fitsarana (Inspection générale de la justice). Fantatra izany tamin’ny fanambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly. Notanterahana omaly ny fifampiarahaban’ny fianakaviamben’ny mini­siteran’ny Fitsarana noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2025. Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitra fa hapetraka amin’ity taona ity ny fisafoan-draharaha […]

Ben’ny Tanàna: manana anjara asa goavana amin’ny faritra iadidiny

Vita ny fifidianana ka mi­andry ny vokatr’izany ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao. Iray volana aorian’ny datin’ny fandatsaham-bato no tokony hivoaka izany, araka ny voafaritry ny lalàna. Vina­vinaina hi­voaka ny 11 janoary 2025 izany ny voka-pifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsaina. Anisan’ny fifidianana iankinan’ny fampandrosoana ny tanàna […]

Rabary Paul: “Mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny vehivavy malagasy”

“Ny tantaran’ny firenena malagasy, amin’izao fitondran’ny filoha Rajoelina izao no tena hita fa nahazo toerana sy andraikitra ambony mifanahantsahana amin’ny lehilahy ny vehivavy”,araka ny fanazavan’ny mpandinika fiarahamonina Rabary Paul . «Hita izany fa efa mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy malagasy, ary mandray andraikitra feno amin’ny fitantanan-draharaha […]

FANTINA sy FINTINA

Amin’ny 19 janoary izao, eny amin’ny FLM 67 Ha, ny famindram-pitantanana ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM). Ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raelison Jean de Dieu, indray no ho filoha, araka ny fifandimbiasam-pitantanana. Izy no mandimby ny filohan’ny FLM, ny pasitora Rakotozafy Denis. Ny fifidianana loholona indray no miandry ny […]

Ratsirahonana Lalaina : «Aoka samy hiasa sy handray ny andraikitra manandrify azy»

“Samia manetry tena sy mahay mifamela heloka isika Malagasy. Aoka samy hiasa sy handray andraikitra amin’ izay toerana misy antsika tsirairay avy”, hoy Ratsira­honana Lalaina. Naneho hevitra manoloana ny zava-misy iainan’ny Malagasy ny tenany nandritra ny firariana soa noho ny taona vaovao. An­koatra izay, tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany ihany koa […]