Politika

Vahoaka miray : «Hatambatra amin’izay ny lalan’ny mpanohitra»

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo antoko mivondrona ao anatin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, omaly, teny Bel’Air. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo ny fijoroana manoloana ny tsy rariny iainan’ny Malagasy. “Tsy hoe miady ny mpanohitra, fa samy nitarika tany amin’ny nandehanany fotsiny. Tokony hatao iray amin’izay ny handehanana, […]

Depiote “Del kely”: “Mila vola sy maka ny fon’ireo mahantra isika”

Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fiarahabana ny fianakaviana Ravalomanana teny Faravohitra, omaly, ny depiote “Del kely”. Nambarany tamin’izany ny paikady fisokafana. “Tsy hijanona ato anatiny eo amin’ny samy Tim intsony isika manomboka izao fa andao resena lahatra ireo mahantra sy ireo sahirana ary ireo tsy miraika amin’ny politika hanampy antsika hanao ny […]

FANTINA sy FINTINA

“Melohiko ny fanimbazimbana ny mpitarika ny fiangonana”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa kristianina ny tenany ary mpino FJKM ka tsy mankasitraka ny fihetsik’ireo mpanohana ny fitondrana nanao izany. “Mankahery ny filoha Andriamahazosoa Irako Ammi izahay ary miangavy azy hivavaka ho an’ireo mpanenjika”, hoy izy. Nambaran’ny depiote tsy miankina, Rajerison Antoine, […]

VHT- fifidianana ben’ny Tanàna : “Mba hivoaka ny marina “

“Raha tena fanjakana tan-dalàna tokoa i Madagasikara, ka tsy hakorontana ny zava-misy sy ny fiainam-pirenena: tokony hisy lalana ahazoana mivoaka sy ahitana ny marina any amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Raza­nakoto Norbert, manoloana ny […]

Fiarahamonim-pirenena Safidy : “Azo atao ny fitoriana fanalana an-daharana kandidà”

Nampahatsiahy ny momba ny fifanolanana ara-pifidianana na koa ny amin’ny fitoriana tokony hatao, ny eo anivon’ny Safidy tamin’iny fifidianana ben’ny Tanàna iny. Anisan’izany ireo dingana samihafa tokony harahina. Nambaran’izy ireo ao amin’ny pejy facebook fa afaka mitory eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, “Tribu­nal Administratif – Taf”, ny […]