Nitsikera ny tsy fahaiza-mitantan’ny filoha Rajoelina Andry ny lahatenin’ny filohan’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, afakomaly. “Tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana , ary ho mafimafy kokoa izany vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra”, hoy izy. Nohitsiny fa lasa voalohany amin’ny fahantrana ny vahoaka malagasy. Taona niainana fangirifiriana sy fijaliana ny […]
Politika
Kardinaly Tsarahazana Desiré : “Tena tsy rariny intsony ny fahantrana “
Niarahaba sy nirary soa ho an’ny vahoaka sy ny kristianina ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré, amin’izao taona 2025 izao. Nampiaiky azy ireo ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena ka nambarany fa tsy sitrak’ Andriamanitra ny mahita ny vahoakany mijaly. Nanteriny fa tokony hiezaka hanao ny tsara isika. “Tsy rariny […]
Filoha Rajoelina Andry : Ho taona hametrahana fanamby goavana ny 2025
Ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny famahana ny olan’ny jiro sy rano. Ho jerena ny fitsimbinana ny vahoaka. Ambony ny fanamby amin’ny fampahafantarana an’i Madagasikara any ivelany. Ireo no vontoatin’ny lahatenin’ny Filoha Rajoelina Andry, afakomaly. “Ity taona vaovao ity dia ametrahantsika fanamby goavana. Koa mino sy matoky aho fa ireo dingana atrehintsika […]
Miadana Fabien Privat : “Fampiharan-dalàna no hisian’ny fifampitokisana”
“Ny olana: lasa mametraka tsy fahatokisana mialoha avokoa ny lisitra kandidà. Nefa matoa miroso amin’ny fifidianana, mila miroso amin’ny ara-dalàna hatramin’ny farany”. Io ny fanehoan-kevitry ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, amin’izao fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly izao. […]
FANTINA sy FINTINA
Niantso ny mpitandro filaminana hijoro fa tsy hataon’ny mpitondra fitaovana ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana, raha nivahiny tamin’ny fahitalavitra iray. “Miantso ny feon’ny fieritreretanareo izahay. Mitodia amin’ny vahoaka sy ny fananany ary aza manaiky hataon’olom-bitsy fitaovana hiaro ny tombontsoany manokana”, hoy izy. Nanokatra ny fankalazana ny taon-jobily ny […]




