Politika

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahaiza-manao sy ny fahendrena…”

Mbola nanantitrantitra ha­trany amin’ireo ben’ny Tanàna ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, eo amin’ny fitantanana ny kaominina. Na­nafatra ireo mpitantana eny ifotony tany Ankazobe ny tenany. Nambarany fa mafy ny asa miandry ny ben’ny Tanàna ary efa niaina izany ny tenany fony nisahana izany […]

Tetikasa TAFITA – MFFT : Hizara karatany maherin’ny 60 000

Nozaraina omaly, tany amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe, ny karatany miisa 25 668, amin’ny alalan’ny tetikasa Tafita. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nambaran’ireo nandaha-teny fa anisan’ny nampihena ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ankazobe iny izao hetsika izao. “Tsy misy intsony […]

Antoko Fivoi : Miantso ny hanatanterahana ny fifidianana sefo fokontany

Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony ny fifidianana sefo fokontany, noho izy io iankinan’ny fiainan’ny maro. Angatahan’ny antoko Fivoi ny hanaovana izany haingana. Mangataka ny hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany ny an­toko politika Fivoi, nandritra ny fam­pahafantarana ireo depiote sy ben’ny Tanàna voafidy re­hetra teto Madagasikara, omaly, tetsy Imerintsiatosika. “To­kony […]

Fiaraha-miasa: Hanohana ny fambolena sy ny angovo i Suède

Nandray ambasadaoro roa ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nivoitra tamin’izany ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny masoivoho no­raisin’ny filohan’ny Re­po­blika i Mette Sun­nergren, hisahana an’i Mada­ga­si­kara sy i Mozam­bika. Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny haitao […]

Fanjavonan’ny ben’ny Tanàna: Voatendry ho PDS an’Antsiranana i Tiana Edmond

Tsy an-kiandriandry. No­tendrena ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ao amin’ny kaominina An­tsiranana I i Tiana Edmond. Nirosoana, omaly, avy hatrany ny famindram-pitantanana na­n­draisan’ny mpitantana vaovao ny tanàna. Voalaza ho anton’izany fanapahan-kevitra izany ny fanjavonan’ny ben’ny Tanàna vao voafidy fanindroany, i Djavojozara Jean Luc Desiré. Tsy fantatra mazava rahateo ny tohin’ny […]