Nanao fanambarana ireo eo anivon’ny Komity iombonan’ny mpiasa (Kim) sy ireo sendikà ary ireo mpanao politika vitsivitsy. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, fa efa tena halohalika ny ranom-bary. «Tsy mandeha ho azy ireny hafatra sy fanambarana nataon’ireo raiamandreny am-panahy ireny. Koa miantso ny herivelona eto amin’ny firenena izahay hikaondoha hiaraka hitady vahaolana […]
Politika
Fifidianana ben’ny Tanàna: 200 mahery ny raharaham-pitsarana
Maherin’ny 200 ireo fitoriana momba ny fifidianana ben’ny Tanàna voarain’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), etsy Anosy. Anisan’ny efa notsaraina teny an-toerana ireo fitoriana maherin’ny 60 avy any amin’ny faritra Bongolava sy ny any Itasy ary koa ny eto Analamanga. Samy andrasana amin’ny famoahan’ny Taf ny voka-pifidianana ofisialy […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Tsy misy indrafo ho an’ireo mpangalatra tany”
Anisan’ny nitondra fanazavana ny momba ny paikady sy ny fepetra iadiana amin’ny mpangalatra tany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, teny Iavoloha. Niaiky ny tenany fa anisan’ny mampikaikaika ny olona izany ka nametrahana ny paikady iadiana amin’ny kolikoly sy ny […]
Vondrona mpanohana ny fitondrana: “Tokony hosoloina ireo tomponandraikitra mitavozavoza…”
Nanao fanambarana tetsy Antaninarenina ireo vondrona politika, mpanohana ny fitondrana. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy ny filohan’ny Repoblika ihany no tompon’andraikitra eto. Eo ireo olom-boafidy sy olom-boatendry tokony hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja aminy, araka ny fanambarana. “Iombonana hevitra ny tokony hanoloana ireo tomponandraikitra mitavozavoza sy vato misakana, ka […]
Ravalitera Jacques Michaël: “Mila mifampiresaka ny samy raiamandreny”
“Mila henoin’ny zanaka ny raiamandreny. Na raiamandreny ara-pitondrana io, na ara-drazana, na ara-pivavahana. Nefa tokony hihaino ny zanaka koa izy ireo. Ilaina izay fifampiresahana izay, raha tiantsika ny hampivoatra ny tontolo”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, teny Alarobia, omaly, manoloana ny […]