Politika

Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc : « Ilaina fantarina ny tena filan’ny vahoaka… »

Tany amin’ny foiben’ny Vondrona eoropeanina (UE), any Bruxelles, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly. Nambarany fa nisy ny fihaonany tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity rafitra iraisan’ny Eoropeanina ity. Anisan’ny nambarany taorian’izany fihaonana izany ny momba ny fiainam-pirenena. « Ilaina fantatra ny tena filan’ny olona. Tsy tafondro na fitaovana tsy mandeha ireny […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso ny tanora ho saro-piaro amin’ny tolona natao ireo avy amin’ny Tambaben’ny mpitolona. Nohitsin’izy ireo fa natao ambanin-javatra ny fanabeazana raha ny hita any Antanimora Atsimo, tamin’ny fisian’ireo mpiadina CEPE nipetraka tamin’ny tany. « Mbola nahena indray anefa ny tetibola amin’izany sy ny fambolena », hoy izy ireo. Notoloran’ny fanjakana “Commandeur de […]

Fanavaozana ny lisi-pifidianana : Hitety tsena sy tokantrano ny Ceni…

Nambaran’ny mpampakateny, Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, fa efa vita ny fanavaozana ny birao maharitry ny Ceni. Havaozina, araka izany, koa ny fomba fiasa miaraka amin’ny toe-tsaina mandala ny mangaraharaha sy fifanakalozana, araka ny nambarany. «Hampandray anjara ny mpisehatra politika sy ny fikambanana politika ary ny fiarahamonim-pirenena isika amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana», […]

Mpanolotsaina avon’ny HCC : Nametra-pialana ny solontenan’ny Antenimierampirenena

Nametra-pialana eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny mpanolotsaina avo roa solontenan’ny Antenimierampirenena: i Nandrasana Georges Merlin sy i Noelson William. Araka ny loharanom-baovao voaray, nanamafy izany ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tamin’ ny fitsidihany ny filohan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza. Fantatra fa tamin’ny 15 jona lasa teo no […]

FANTINA sy FINTINA

Hihaona amin’ireo Malagasy any Frantsa sy Eoropa ny filoha teo aloha, Ravalomanana, ny sabotsy izao. Efa any Paris, hatry ny omaly, ny tenany. Voalaza fa anisan’ny anton-diany any ny fifampiresahana sy fihainoany ireo teratany malagasy « Diaspora » any an-toerana. « Hampahafantarina azy ireo ny zava-misy any an-tanindrazana », hoy izy. Mandroso ny fanaovana ny […]