“Mbola hisy ihany ny fahazoana manao fanamarinana faharoa aorian’ny 31 mey ho an’izay vao nisoratra anarana vaovao taty aoriana. Izay ilay hoe fitsirihana faharoa. Saingy fohifohy ihany ny fe-potoana hahazoana manao izay.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny famaranana ny fanamarinana ny lisitry ny mpifidy vonjimaika, arakaraka […]
Politika
Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Esorina ireo tsy manaraka fepetra”
“Anisan’ny solombavambahoaka tohina aho manoloana ny fanambarana toy ireny. Miantso ny solombavambahoaka maro anisa namako eo anivon’ny Antenimierampirenena aho hanao ny dingana hanalana an’ireo solombavambahoaka tsy manaraka ny fepetra sy ny lalàm-pitondran-tena mba tsy ho anisan’ny solombavambahoaka intsony.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miarinarivo, tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa […]
Lalatiana Rakotondrazafy : “Tsy mihevitra hametraka Tetezamita ny fanjakana”
Mazava ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MKS), Lalatiana Rakotondrazafy. “Tsy mihevitra fitondrana tetezamita izany ny fitondram-panjakana”, hoy izy. “Tsy mihevitra ny hametraka Tetezamita ny fitondrana ankehitriny. Tsy marina avokoa ny resabe tato ho ato”, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy mitombina ny filazana ny […]
Pr Manantsoa Victor : Tompon’antoka amin’ny fampandrosoana ny Malagasy
«Tsy mandroso mihitsy i Madagasikara raha tsy ny Malagasy iray manontolo no miara-mandray anjara amin’ny fampandrosoana», hoy ny minisitra teo aloha, Pr Manantsoa Victor, raha nanontaniana tetsy Mahamasina, omaly. Tokony hanana politika sy paikady hampandraisan’andraikitra ny vahoaka ny fitondram-panjakana. Miainga amin’ny alalan’ny fifidianana sy fandraisana anjara amin’ny raharaha maro eto […]
Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy azo ekena ny hametrahana Tetezamita”
“Tsy azo ekena sy tsy ilaina ny fametrahana fitondrana tetezamita izany. Tsy hiray petsapetsa amin’izany isika. Mitaky ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Analanjirofo sy Atsinanana, ny herinandro teo. Nohenoiny tamin’ireo vahoaka amin’ny faritra nolalovany ny maharary azy ireo. Anisan’izany ny […]