Politika

50 lavitrisa dolara ho an’i Afrika : hisitraka ny fiaraha-miasa amin’ny sinoa ny Malagasy

Tontosa omaly, tao Bejing, ny lanonam-panokafana ny fihaonana an-tampony andiany faha- 9, eo amin’ny fiaraha-miasa Sinoa sy Afrikanina. Nanatrika izany ny filoha Rajoelina Andry. Notontosaina omaly, tao amin’ny Grand Palais du Peuple, tao Bejing, ny lanonam-panokafana ny fihaonana an-tampony andiany faha- 9, eo amin’ny fiaraha-miasa Sinoa sy Afrika (Focac 2024). […]

Antenimierampirenena : notokanana ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro

Mamaha ny olan’ny fahatapahan-jiro ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Notokanana, omaly, ny fitaovana momba izany ho an’ny Antenimierampirenena. Notanterahana, omaly, tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Ny filohan’ny An­tenimierampirenena, Tokely Justin sy ny masoivohon’ny firenena indianina, Bandaru Wilsonbabu […]

Depiote Gascar Fenosoa : « Aoka hatsahatra ny sakantsakana amin’ny endriny samihafa »

Naneho hevitra avy hatrany ny depiote Gascar Feno­soa taorian’ny fanakanan’ny Emmo/Reg ny kandidà Rava­lomanana Marc sy ny Tim nikasa ho etsy amin’ny Magro Behoririka, omaly. Nanteriny fa efa ankatokin’ny fifidianana izao ka fomba fanao repoblikana any amin’ireo tany de­mokratika ny manao hetsika, mialoha ny fampielezan-kevitra. “Natao hifampizarana sy hifanentanana handeha […]

Fikasana hanao fotoam-bavaka : voasakan’ny Emmo/Reg ny fidirana tao amin’ny Magro

Tsy tanteraka ! Nifandresy lahatra ireo depioten’ny Fi­raisankina sy ny avy amin’ny Emmo/Reg ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fotoam-bavaka etsy Magro Behoririka. Nambaran’ny depiote Ran­drianasoloniaiko Siteny fa tsy ho avy amin’izy ireo ny korontana. “Inona ny tsy fanarahan-dalana raha amin’ny toerana manokana an’olon-tsotra no angatahana fitahiana hilatsahana hofidiana…?”, hoy izy. […]

Fihaonana an-tampony Focac any Chine : mandray anjara mavitrika i Madagasikara

Tanterahina ao Pékin, Chine, nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso ny fihaonana an-tampony fahasivy eo amin’ny fiaraha-miasa Sino-Afrikanina (Focac). Mandray anjara mavitrika amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ireo Tomponandraikim-panjakana maro any an-toerana. «Mifanome tanana hampiroboroboana ny fivoarana ary hanangana vondrona Shina-Afrika avo lenta miaraka amin’ny hoavy iombonana» no lohahevitry ny Focac. Anisan’ ny […]