Politika

Famosirana : miankina amin’ny didy raikitra ny fampiharana

Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny fanatanterahana ny famosirana amina raharaha fanolanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­mandimby Benjamin Alexis, tamin’ny mpanao gazety teny Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fihaonany tamin’ny vadintany sy mpanao lavanty. Misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny dokotera amin’izany: tsy maintsy […]

FANTINA sy FINTINA

Nomen’ny birao politikan’ny MMM toromarika ireo ho kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ity antoko ity, ny herinandro teo, teny Ankerana. Samy nahatonga solontena avokoa ireo distrika mandrafitra ny faritra Analamanga. Voaresaka ny momba ny fikarakarana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina sy ny momba ireo dingana samihafa, aorian’izany. Hihaona amin’ireo mpirotsaka hofidina ny ao […]

Filohan’ny Antenimierandoholona : “Fakan-tahaka ny La 13 tao amin’ny Acmil”

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosy, ny Jly Ahmed, ny herinandro teo. Teratany Nigeria­nina izy io. Manamboninahitra nivoaka tamin’ny andiany faha-13 “La 13” tao amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe, niara-nihira tamin’ny filohan’ny Antenimieran­do­holona. “Ohatra tsara azon’ireo manamboninahitra zandry, mbola am-perinasa alaina tahaka ny fihavanana tsy ravan’ny taona […]

Fiombonana : “Lasa misy fifanitsahana andraikitra eo amin’ny governemanta”

Iangaviana ny tomponandraikitra, indrindra ny lehiben’ny governemanta, mba hametraka izay tena andraikitra sahanin’ny sekreteram-panjakana sy izay andraikitra sahanin’ny minisitra. “Lasa miteraka fifanitsahana andraikitra izay eo anivon’ny fitantanana minisitera iray”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiom­bonana, Retogniane Durlin, momba ny fisian’ny minisitra sy sekreteram-panjakana misahana raharaha iray eo anivon’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nisafidy ny tsy hanao politika, taorian’ny fahanginany Ny Rado Rafalimanana. Nambarany fa efa kandidà filoham-pirenena indroa ny tenany ary nihevitra ny hahavita. “Tena tsy haiko ilay fomba fanaovana politika eto”, hoy izy. Nanafarany ireo mpisehatra izany ka nilazany fa mila fantatra aloha izany Madagasikara izany raha te hanao politika. Mitaky […]