Politika

Filohan’ny Holafitry ny vadintany : “Hamafisina ny fiarovana anay eo amin’ny asa”

Voafidy hitantana ny Hola­fitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty (CNHJPM), araka ny fifidianana natao omaly, tetsy Ambodivona, ny Me Rarivoarivony Andriantafaina. Nambarany fa misedra olana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany ka natsidiny ny hanohizana ny hiarovana azy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny lalàna sy ny voasoratra amin’ny satan’izy […]

Fananan-tany any Ambovombe : namaha olana ny minisitra Andriantsitohaina

Efa eny an-kianja avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Anisan’izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Mazava ny toromariky ny filohan’ny Repob­li­ka farany teo ny amin’ ny hidinan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta eny an-kianja, manomboka izao. Tsy niandry ela fa nidina ifotony tany […]

FANTINA sy FINTINA

Nanamafy ny maha kandidà an’i Mada­gasikara ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasa­ta Rafaravavitafika. Nanentana sy niantso ny fanohanan’ireo firenena afrikanina, indrindra ny eo anivon’ny firenena Sadc miatrika ny fivoriana eo amin’i Japon sy Afrika (Ticad), any Tokyo, ny tenany amin’izany. Mahafeno ny fepetra ara-teknika takina […]

Tim Eoropa: miantso an-dRavalomanana Marc tsy hihemotra

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny eo anivon’ny Tim any Eoropa. Nambaran’izy ireo fa fanantenana lehibe ho an’ny Malagasy izany ary efa voaporofo tamin’ny fahaiza-mitantana ny Renivohitra sy i Mada­gasikara fony nisahanany izany andraikitra lehibe izany. “Miangavy anao izahay mba tsy hihemotra intsony na ino­na […]

Rabary Paul: “Mahavelombolo ny fanendrena PDS”

Am-perinasa tanteraka ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Mitondra ny heviny, Rabary Paul, mpandinika fiarahamonina. «Mahavelombolo: maninona no Ra­manantsoa Harilala no PDS? Satria olona azo lazaina hoe tafita teo amin’ny fiainana, teo amn’ny fikirizana eo amin’ny lafiny fandraharahana, ary manana hevitra be dia be izay tsy mbola nisy nanao […]