Politika

Fikarakarana dosie firotsahan-kofidina : nohamorain’ny Ceni ny fifandraisana amin’ny kandidà

Anisan’ny ezaka tanterahin’ny Ceni amin’izao, hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny fanamorana sy ny famahana olana. Napetraka, noho izany, ny laharana maitso hifandraisana amin’ireo kandidà. Tafiditra amin’ny fanamorana ny serasera sy ny fi­fandraisana amin’ireo kandidà ny nametrahana ny la­harana maitso, amin’ny alalan’ny 034 30 810 01 eo […]

Depiote Randrianarisoa Bien Aimé : “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana”

Mitohy ny fametrahana amin’ny toerany sy ny samboadin’ireo depiote. Anisan’izany ny tany amin’ny faritra Bongolava. Notanterahina ny 30 aogositra teo ny fametrahana samboady ho an’ny solombavambahoaka, Randrianarisoa Bien Aimé, voafidy ao amin’ny distrikan’ i Fenoarivobe, faritra Bon­golava. Nohamafisiny tamin’izany ny hanatanterahany ireo toky nomeny ny vahoaka any an-toerana nandritra ny […]

FANTINA sy FINTINA

Fanakiviana sy fanilihana ankolaka ireo kandidà ny fanasarotana ny dosie firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna, araka ny nambaran’ny depiote, Gascar Fenosoa. Nanteriny fa misedra olana ny ankamaroan’izy ireo. “Sarotra sy be loatra ireo antontan-taratasy takina amin’ny firotsahan-kofidina ka ahina hiala an-daharana ny sasany”, hoy izy. Nanambara ny haha kandidà ben’ny Tanànan’i Toamasina […]

Depiote Rajerson Antoine – FAKANA AN-KERINY : tsy fisian’ny fanabeazana no mahatonga izany

“Misy zavatra be dia be tokony hojerena ny tontolo ambanivohitra. Tsy misy na fanabeazana, na lalam-barotra, na fihariana amin’ny fambolena sy fiompiana… “, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fivoi, Randriamampianina Rajerison Antoine, momba ny trangana fakana an-keriny tany Anjozorobe. Vokatr’izay, misy zaza tsy […]

2016-2020 : navadiky ny ben’ny Tanàna ho tombontsoany ny Easy Park

Nahatratra 235 tapitrisa Ar ny vola nahodin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo mivady, ny taona 2016 hatramin’ny 2020. Nalaina mivantana na taratasim-bola fotsy no nakana izany avy tao amin’ny Easy park . Ampahany betsaka amin’ny vola teo anivon’ny Easy Park tokony ho nalefa tany amin’ny tahirim-bolam-panjakana no nalain’izy ireo ho amin’ny tombontsoany. Mpanolotsaina […]