Politika

Fifehezana loza voajanahary: nanome vola 200 000 dolara ny Vondrona afrikanina

Mahatratra 200 000 dolara amerikanina ny vola avy amin’ ny Vondrona afrikanina (UA), ho fanohanana ny asa fifehezana ny loza voajanahary eto Ma­da­gasikara. Nandray izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavita­fika, teny amin’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny, Anosy, oma­ly. Nitarika ny de­legasiona na­nolotra azy ny ambasadaoron’i Burundi sady lehiben’ny iraka fanombanana ara-pahasalamana sy […]

Ady amin’ny famotsiam-bola : hamoaka paikady vaovao ny governemanta

Ady amin’ny famotsiam-bola. Hisy ny fanavaozana ny paikady vaovao avy amin’ny governemanta amin’izany. “Misy paikady havoakan’ny governemanta ato ho ato hiadiana amin’ny famotsiam-bola. Fantatra fa misy io asa ratsy be io. Nefa tsy hita hoe manao ahoana ny fisehoana sy ny fanenjehana?” Io ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Samifin, Rajaonarison Ma­mi­tiana, […]

FSM-50 taona : nampiray ny mpino silamo sy ny fanjakana

Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady teo, ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fikambanan’ny silamo malagasy (FSM). Tonga maro nanatrika izany ireo mpino silamo sy ny olo-manan-kaja maro avy eto an-toerana. Fotoana nifanomezan-tanana teo amin’ny mpino silamo sy ny fanjakana malagasy. Antenaina ny hitohizan’izany ho fampandrosoana ny firenena. « Mafy orina […]

FANTINA sy FINTINA

« Laharam-pahamehana ny fitsinjovana sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny isam-batan’olona eto Antananarivo Renivohitra », hoy ny kandidà Harilala Ramanantsoa. Efa misy ny vina mifanaraka amin’izany, sahala amin’ny fampananana asa sy ny fampiofanana arakasa. Ny olona no harena ka zava-dehibe ny fitsinjovana ny maha olona, araka ny nambarany hatrany. Nolanian’ny solombavambahoaka nandritra […]

Depiote Sophie Ratsiraka : “Mila fanazavana antsipiriany ny vola Ciad”,

“Amin’ny maha solombavambahoakan’i Vatomandry, mba miahy kosa ny tena raha mijery ny distrika manana kaominina fito, ny sasany 12… Nefa ny an’i Vatomandry 21, ny hafa 40… Nefa mitovy ny valopy na ny vola omena ny distrika tsirairay avy”. Io ny nambaran-dRatsi­raka Sophie Soamiadana teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. […]