Politika

Fihaonana an-tampony any Zimbabwe: tanjona ny hitondrana fanatsarana maharitra ho an’ny sehatry ny indostria

Hikaondoha mandritra ny roa andro, hikaro-bahaolana enti-manatsara ny sehatry ny indostria, ireo filoham-pirenena ao anatin’ny Sadc. Antenaina ny hisian’ny fiatraikan’izany ho an’ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Tanterahina anio sy ra­hampitso, ao amin’ny Lapa vaovaon’ny parlemanta Mont Hampden ao Harare, ny fihaonana an-tampony faha-44 ho an’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ao […]

FANTINA sy FINTINA

Hodinihina amin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny hidiran’i Madagasikara ao amin’ny Troïka. Ny filoha Rajoelina no ho filohan’ny Sadc amin’ny taona 2025, araka ny nambarany teny Anosy, afakomaly. Mio­mana handray ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana amin’izany i Madagasikara. Hisesisesy ny fivo­riana an-tampony hatao eto, ary maro ireo filoham- panjakana hanao fitsidiham-panjakana. Notendren’ny […]

Razakamanantsoa Gaby Nestor : “Tsy fampitahorana ny vahoaka ny Bianco”

Tontosa ny alarobia 14 aogositra 2024 ny lanonam-pitsarana, fianianan’ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) vaovao, Razakama­nantsoa Gaby Nestor. Teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy no nanatanterahana izany. Manampahefana maro sy tomponandraiki-panjakana samihafa isan’ambaratonga no tonga nanome voninahitra teny an-toerana. Anisan’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Taorian’izay, nisy […]

Filoha Rajoelina: “Amin’ny faran’ny herinandro ho avy ny governemanta”

Eo am-piandrasana ny fanendrena ireo minisitra ny vahoaka, ankehitriny. “Amin’ny faran’ny herinandro ho avy ny governemanta”, hoy ny filoha Rajoelina raha nanontanian’ny mpanao gazety momba izany. “Izaho mino fa amin’ny faran’ny herinandro ma­naraka dia hoezahin­tsika ny hivoahan’ny gover­nemanta vaovao, taorian’ny fanendrena ny Praiminisitra Ntsay Christian”, hoy ny filoha Rajoelina tamin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, afakomaly, ny didim-panjakana N° 2024-1493 miantso ny mpifidy hanatanteraka ny fifidianana kaominaly sy monisipaly amin’ny 11 desambra, hanomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. Ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey 2024 no hampiasaina ary ny kara-pifidianana farany teo. “Nanao ny tokony ho nataony ny fanjakana […]