Politika

64 taona ny Fahaleovantena: hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity

« Madagasikara Mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”. Io no teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena hankalazaina tsy ho ela izao, araka ny fanazavan’ireo komity mpanomana sy mpikarakara. Nampahafantarina oma­ly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovan­tenan’i Madagasikara izao. «Madagasikara […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza hitory ny kandidà Randrianasoloniako Siteny ireo kandidà efatra mpifaninana aminy ao amin’ ny distrikan’i Toliara I. Anton’izany ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fizarana vary sy vola tamin’ireo fokontany, ny andron’ny 28 mey, izay andro fahanginana mialoha ny fandatsaham-bato, araka ny tatitr’ireo kandidà ireo, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa misy […]

Praiminisitra Ntsay Christian ; “Tsy manaiky fanakorontanana ny fitondram-panjakana”

“Tsy manaiky izany fanakorontanana izany ny fitondram-panjakana”, hoy ny Praimini­sitra Ntsay Christian, taorian’ny fianianan’ny mpikambana vaovao eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ), teny Anosy, omaly, raha nanontanin’ny mpanao gazety ny amin’ny fisian’ny fanoherana voka-pifidianana niafara ta­min’ ny fandoroana ny biraon’ny Sampana mpanisa vato (SRMV) amin’ny distrika vitsivitsy. Fanjakana tan-dalàna i Madagasikara. […]

Fifidianana solombavambahoaka: nifarana, omaly, ny fe-potoam-piasan’ ny SRMV

Nifarana omaly ny fe-potoam-piasan’ny sampana mpikirakira ny voka-pifidianana eny anivon’ny distrika, raha ny voafaritry ny lalàna mifehy ny fifidianana. Eny anivon’ny Birao ma­haleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) foibe indray, araka izany, no hikirakirana ireo voka-pifidianana ireo, manomboka anio. Mana­na 10 andro kosa ny Ceni hanatanterahana ny asany, araka ny […]

FANTINA sy FINTINA

Matihanina amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ireo iraka manokan’ny SADC, araka ny nambaran’ny loholona Rabetsaroana Sylvain, teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo. Tsy niteny afa-tsy ny zavatra hitany sy reny izy ireo. Nilamina sy nizotra ara-dalàna ny fifidianana teto Madagasikara. Nanao ny asany ny Ceni, nangatahan-dry zareo ny hanampiana ny Ceni […]