Hatao ny 11 desambra izao ny fifidianana ben’ny Tanàna, kaominaly sy monisipaly, manerana ny Nosy, araka ny didim-panjakana mamaritra ny fifidianana lah-2024-1496. Navoakan’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany, teny amin’ny tambajotran-tserasera ny didim-panjakana mahakasika ny fahafahana mirotsaka. Hita ao anatin’izany ny didim-panjakana mampahafantatra ny fikarakarana ny […]
Politika
Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: “Inoana fa ho tanteraka avokoa ny PGE”
“Ny zavatra nolazain’ny Praiminisitra ny amin’ny fandaharanasa fanatanterahana ny PGE dia inoana fa ho tanteraka avokoa”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko GJMP tany Betroka, Faritra Anosy, Randrianasolo Jean Nicolas, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) amin’izao fe-potoam-piasana izao. […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony haharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha Rajoelina Andry ireo tomponandraikitra, araka ny nambaran’ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery tetsy Mahamasina, afakomaly. “Mila miezaka mafy isika amin’izany mba hanatanterahana ny vina napetrany”, hoy izy tamin’ny fizarana “Tsimbina”. Nitohy indray ny hetsiky ny vehivavy MMM. Nivarotra fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ilaina amin’izao fampidirana mpianatra izao […]
Fifidianana ben’ny Tanàna : hanomboka ny 5 septambra ny fametrahana firotsahan-kofidina
Efa nivoaka ny tetiandro sy ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina ho an’ireo hirotsa-kofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, hotanterahina ny 11 desambra izao. Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny 9 aogositra teo izany. Hanomboka ny alakamisy 5 ka hatramin’ny alahady 15 septambra izao ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo mpirotsaka […]
Fanolorana PGE teny Tsimbazaza: voalamin’ny tsangan-tanana ny savorovoro
Depiote 45 nanaiky, valo nivoaka ny efitrano fivoriana. Izay ny tsangan-tanana taorian’ ny adihevitra ny amin’ny fanoloran’ny Praiminisitra Ntsay Christian na tsia ny programanasa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. “Tokony ho teo anivon’ny filankevitry ny governemanta no nametrahana programa fanatanterahana ny PGE”, hoy, ohatra, […]




