Namelabelatra ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) teny Tsimbazaza, omaly, ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany ny laharam-pahamehana. Anisan’ny ampahany amin’ ny fanoloran’ny lehiben’ ny governemanta ny PGE ny famoronana asa. “Eo koa ny fampiakarana ny harin-karena faobe. Ny fampihenana ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny mponina ary […]
Politika
Fanolorana ny PGE: tsy sakana ny tsy fijoroan’ny governemanta vaovao
“Ny Praiminisitra amin’ny maha lehiben’ny governamanta azy no mitondra ny Programa ankapoben’ny fanjakana (PGE) eo anoloan’ny parlemanta, dia ny parlemanta no mahita izay azo hanampiana na hanalanana ho fanazavana izany”. Io ny fanazavan’ny loholon’i Madagasikara, Andrianandrasana Tahina Hajaniaina, teny Anosikely, afakomaly, manoloana ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fiantsoana fivoriana […]
Mpanolotsain’ny Prezidansa, Rajoelina Patrick «Mbola iadiana hevitra ny momba ireo Nosy manodidina»
Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Global Africa Telesud ny mpanolotsaina diplaomatika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rajoelina Patrick, ny 7 aogositra teo. Maromaro ireo fanazavana nentiny momba ny raharaham-pirenena. Anisan’ny nambarany ny momba ny fifandraisana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara. Eo ny momba ireo Nosy manodidina. “Mbola adihevitra eo amin’ny […]
Fampandrosoana: nentanina hiady amin’ny fahantrana ireo Diaspora
Notanterahina tetsy amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), tetsy Anosy, omaly ny atrikasa momba ny Politika nasionaly ho fampandraisana andraikitra ireo zanaka am-pielezana “Lettre de politique nationale d’engagement de la diaspora – LPNED”. Nivoitra tamin’izany ny fanentanana ireo zanaka am-pielezana mba hiady amin’ny fahantrana ho fampandrosoana ny firenena. Nitarika ny atrikasa […]
Tetikasa PTASO: hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny MFFT sy ny MICC
Tontosa omaly, ny fivoariana mahakasika ny « Projet de Zone de Transformation Agro-Industrielle dans la région du Sud- Ouest » PTASO. Tetikasan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra (MICC), vatsian’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) vola izy ity. Ny ho fanohanan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany (MFFT) amin’ny fahazoana ny fiarovana ny […]




