“Nanolotra anarana folo izahay, izaho no nitarika ny lisitra tamin’izany: tsy nisy tafiditra na ny iray aza. Tsy afa-nirotsaka koa aho, fa tsy afa-mitondra ny lokon’ny RPSD intsony fa efa ao anatin’ny vovonana manohana ny Irmar”. Io ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny RPSD izay ao anatin’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i […]
Politika
Faha-50 taonan’ny OJM : nandalo sedra sy fotoan-tsarotra ny mpanao gazety
Notsiahivin’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, omaly, fa nametrahana ny firaisankinan’ny mpanao gazety tany amin’ny taona 1974 no antony nananganana ny holafitra. Teo ny teritery sy ny tsindry samihafa niseho tamin’ izany. “Nandalo vanim-potoana sarotra ny asa fanaovan-gazety tao anatin’izay 50 taona izay. Na teo amin’ny […]
Ramamimampionona Gérard : «Depiote izany tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava…»
Amin’izao fifidianana izao, olona toy inona no tokony ho depiote? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: ” Olona mijoro izany, fa tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Olona toy inona no tokony ho depiote? Ramamimampionona Gérard (-): Andrimpanjakana iankinan’ny firenena amin’ny fitantanana […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny fehinkevitra nandritra ny fikaonandohan’ireo mpahay lalàna, tetsy Besarety, omaly, ny fanimbazimbana ny lalàna amin’izao fotoana izao. “Tsy azo ekena ny miraviravy tanana”, hoy izy ireo. Mivonona ny handeha amin’ny alalan’ny lalàna izy ireo hanasitranana izao manjo ny firenena izao. Anisan’ny nitarika izany ny Pr Ranjeva Raymond. Naneho ny fanohanany […]
Fandresena lahatra ny mpifidy: tsipahin’ny KMF/Cnoe ny fizaram-bola
Namoaka fanambarana manoloana ny tokony hametrahana fifidianana tan-dalàna ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Hentitra izy ireo fa mitsipaka marindrano ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny rehetra hisafidy amin’ny fizarana vola sy fitaovana hahazoana ny safidiny. “Tahirin-kevitra momba ny fifidianana ihany no azo zaraina mandritry ny propagandy, araka ny voalazan’ny lalàna”, hoy izy […]




