“Mijoro miaro ny safidim-bahoaka sy ny lalàmpanorenana ny Foloalindahy. Izy ireo no miantoka ny fandriampahalemana eto amin’ ny tany sy ny firenena. Noho izany, tsy atao ambanin-javatra ny asa sy andraikitra iantsorohana amin’izao ankatoky ny fety izao mba hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny Foloalindahy”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) […]
Politika
Prix du jeune écrivain : misokatra ny fisoratana anarana
Miditra amin’ny andiany faha-39 ny “Prix du Jeune écrivain”. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary hifarana ny 2 febroary 2023. Fifaninanana anolorana amboara ny tanora mpamorona asa soratra, amin’ny teny frantsay. Tanora 16 hatramin’ny 26 taona no afaka mandray anjara. Ny mpandresy tamin’ny andiany teo aloha kosa anefa afaka mandray […]
Fiahiana sosialy: manana tolotra ara-pahasalamana maro ny Afafi
Nampahafantatra ny tolotra ara-pahasalamana eo aminy, ny eo anivon’ny Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi), omaly, tetsy Anosy. Manakaiky vahoaka izy ireo amin’izany. “Tsy mitady tombony izahay fa manamora ny fahazoan’ny fianakaviana marefo ny fitsaboana lavorary. Miezaka mampihena ny sakana eo amin’ny vola, saina sy sosialy amin’ny fitsaboana”, hoy ny […]
BNGRC – Betroka: “Tsy voamarina ny fisian’ny maty”
Nitondra valin-kafatra. nanao fanambarana, omaly, ny eo anivon’ny BNGRC, amin’ny alalan’ny tale jeneraliny, ny Jly Andriakaja Elack Olivier. «Tsy voamarina ny filazana fahafatesan’olona noho ny hanoanana», hoy izy. Tsy mitombina hatreto ny filazan’ny depiote voafidy any an-toerana, Randrianasolo Nicolas fa efa mihinana ny tsy fihinana ny mponina any an-toerana ka […]
Hetsika amin’ny fety: manao “Bazar de Noël” ny Fondation Céline et Didier
Manohy ny hetsika sy ny asan’ny Fondation Céline et Didier amin’izao herintaona nitsanganany izao ireo taranany. Mikarakara hetsika “Bazar de Noël” izy ireo, nanomboka, omaly hatramin’ny 24 desambra izao, etsy amin’ny Cercle Franco-Malagasy, Anosy izany. Ahitana tranoheva miisa 30 izany ary misy ireo kojakoja samihafa, ilaina amin’izao fety izao. Tsiahivina […]