Politika

Fanapahan’ny Ovec : voailikilika ny kandidà roa ao Toamasina I

Tsy anisan’ny mpihazakazaka tamin’ny ora farany. Miisa fito ireo kandidà nandrotsaka antontan-taratasy firotsahana teo anatrehan’ny Ovec, ho an’ i Toamasina, ny alatsinainy teo. Nihena ho dimy anefa izany, omaly, rehefa nivoaka ny lisitr’ireo afaka hifaninana hiady seza roa any an-toerana. Anisan’izany ny kandidà tsy miankina Rajaonary Syl­vestre, avy amin’ny fikambanana Coco […]

FANTINA sy FINTINA

Kandidà tokana hofidina depiote ao Vohibato ny solombavambahoaka amperinasa, Rivotiana Jean Bosco. Efa eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany ny ila tongony raha tsy misy ny fiovana. Nambarany fa hanao ny fampielezan-kevitra hatrany ny tenany. Tsiahivina fa efa minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana izy talohan’ny janoary lasa teo. Betsaka loatra […]

FITORIAN’NY KANDIDA : Fe-potoana farany ny 15 avrily

Raha ny tokony ho izy, araka ny tetiandro napetraky ny Ceni, efa nanao peta-drindrina ny lisitry ny kandidà nekena ny firotsahan-kofidiny eo anivon’ny distrika tsirairay manerana an’i Madagasikara ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana (Ovec) tamin’ny 9 avrily lasa teo. Amin’izany, nomena ny taratasy fanamarinana ny nandraisana ny […]

Fiarahamonim-pirenena : “Aoka izay ny jadona sy ny valifaty politika”

Nanao fanambarana ireo fiarahamonim-pirenena miisa 11, omaly tetsy Ambatonakanga. Nisongadina tamin’izany ny tranga politika niseho tato ho ato ka nanaovan’izy ireo antso avo. «Toherinay ny didy jadona sy ny antsojay politika”, hoy ny lohahevitra nentin’ireto fiarahamonim-pirenena ireo. No­tsiahivin’izy ireo tamin’izany ny fanonganana olom-boafidy, filohan’ny Antenimiera roa. “Mampanahy amin’izao toe-draharaham-pirenena izao […]

Boriborintany III: Kandidà solombavambahoaka i Bodo mpihira

Nanapa-kevitra ny handeha irery amin’ny lisitra tsy miankina ka nirotsaka hofidina ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany fa­hatelo ny mpanakanto, Raza­fin­drazaka Bodo. Nampaha­fan­tariny, omaly, tetsy Anta­nimena, anefa fa tsy sanatria nanao ho rano nodikain’ny zinga na nanadino ny niandohana ny tenany fa nahazo tsodrano tamin’ny loharano nipoirana. Mahatsapa aho ary raisiko […]