“Fomba fanaon’ny mpanao politika izy io. Amin’ny maha fomba fanaony azy izay: rehefa miala ireo minisitra ireo, tsy ireo no hisolovava ny vahoaka eo anivon’ny Antenimiera raha ny hita eo amin’ny tantara”. Izay ny fijerin’ny sekretera jeneralin’ny Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fisisihan’ny minisitra mirotsaka ho depiote. Hiverina ho minisitra […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ireo kandidà afaka hifaninana hofidina depiote, Razanamahasoa Christine, any Ambatofinandrahana sy Rafidimanana Narson, ao Antanifotsy. Eo koa i Rossy etsy amin’ny boriborintany fahefatra ary Rakotoniaina Pety, any Ikalamavony. Nohamorain’ny Ceni ny fahafahan’izy ireo nameno ny dosieny avy ka izao anisan’ny mpifaninana izao. Hambara anio, raha tsy misy ny fiovana ny […]
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Tsy ny maha mpitondra no handresena amin’ny fifidianana”
Fanehoan-kevitra… “Tsy atao dridran’Ingilo ny hoe satria eo amin’ny fitondrana dia manana tombony amin’ny fifidianana, na lesoka rehefa tsy eo amin’ny fitondrana”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Victor Richard, ny amin’ny fanahian’ny sasany hoe mahazo tombondahiny amin’izao fiatrehana fifidianana depiote izao ny eo amin’ny fitondrana. Tondro mazava be ny fifidianana […]
Fiatrehana ny fifidianana: hamafisina ny fiambenana ny fonja rehetra
Hentitra ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nandraisana fepetra manokana ny eny anivon’ny fonja. Nitsidika ny fonjabe any Miandrivazo ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Nilatsaka tamin’izany ny toromarika ho an’ireo mpandraharahan’ny fonja. “Hamafisina ny fiambenana ny fonja sy ny fandrindrana na koa fandaminana ireo rehetra mivezivezy […]
Kolektifa ho an’ny Malagasy: “Hiainga eny amin’ny Antenimiera ny fanovana”
Nihaona tamin’ny solontenan’ny vahoakan’Avarandrano, teny Ambohimanambola, ny avy amin’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy. “Hiainga eny amin’ny Antenimierampirenena ny fanovana tiantsika hatao”, hoy ny kandidàn’ny Kolektifa, Andrianainarivelo Hajo, teny Ambohimanambola. Nanteriny fa hanao lalàna iarovana ny tombontsoan’ ny besinimaro izy ireo. Anjaran’ny depiote koa ny manara-maso ny asan’ny governemanta na nahavita […]




