Politika

Antenimiera : hisy ny fivorian’ ny depiote

Tsy azo ihodivirana ary tsy maintsy hatao. “Tsy maintsy hisy ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Na ho ara-potoana io na tsia satria mbola handalo hodinihin’ireo solombavambahoaka amperinasa ny momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR)”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tokony hanomboka ny 8 mey izao izany fivoriana izany nefa mbola ao anatin’ny fampielezan-kevitra ny […]

Nilatsaka ny didim-pitsarana ho an’ny CUA : miato ny fitangosana Ticket eny amin’ny mpivarotra

Nambaran’ny mpanolotsain’ny Tanàna, Ravololomanana Lalatiana, omaly, tetsy Analakely, fa niakatra teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (TA) ny fitoriana napetrany. Nivoaka ny didy afakomaly. “Nandresy isika. Miato ny fakana tapakila haban-tsena amin’ ireo mpivarotra eto Anta­na­narivo Renivohitra, araka ny didim-pitsarana nivoaka, afakomaly. Tsy mandoa vola amin’ny tapakila intsony […]

FANTINA sy FINTINA

Manamafy ny hafatry ny kardinaly Tsarahazana Désiré sy ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ammi, ny Hery politika mitambatra sy ny ACS. “Lasa fa­nangonan-karena sy fitadiavam-bola ny politika. Tsy misy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka… Tsy misy fahamarinana ny fitantanana ny firenena”, hoy izy ireo, tetsy Mahamasina, omaly. Nanao fanambarana ny birao […]

Ramampy Zenaïde: “Mila manam-piniavana hirotsa-kofidina ny vehivavy”

“Aza andrasana homena na atolotra anareo ny fahefana fa raiso”, hoy ny filoham-boninahitry ny Filankevitra na­sio­nalin’ny vehivavy eto Ma­daga­sikara (CNFM) sy ny Vondron’ ny miralenta ho amin’ny fampondrosoana (VMLF), Ramam­py Marie Zenaïde, izay efa so­lombavambahoaka sy ben’ny Ta­nàna tany Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, teo aloha. Hisy fifidianana ato ho ato. […]

Justice et Paix: “Atsaharo ny fampanantenana poakaty”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny vaomieran’ny eveka, Justice et Paix, taorian’ny fivorian’izy ireo tetsy By-Pass, afakomaly. Hentitra izy ireo manoloana ny fiainam-pirenena. Nambaran’izy ireo fa aoka hajanona ny adilahy sy ny fisaratsarahana ary ny fankalahana. Aoka tsy hifanilikilika na hifanavakavaka, araka ny fanambarana. “Tsy maintsy mandray andraikitra isika. Reseo ny fisalasalana ary […]