Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny depiote Masy Goulamaly ao amin’ny trano fonenany, tapa-bolana aty aorian’ny nisamborana azy. Ny 1 jona izy no voasambotra, taorian’ny fisiana andian’olona nandoro ny sampandraharaha mikirakira ny fifidianana tao Tsihombe. Tsy nisy valiny izany aloha ny taratasy napetraky ny birao maharitry ny Antenimierampirenena nivantana tamin’ny Praiminisitra […]
Politika
Fananganana ny governemanta : tompon’ny teny farany ny depiote maro anisa
Hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy, mialohan’ny 26 jona izao, ny eo anivon’ny HCC, raha tsy misy ny fiovana. Ho fantatra eo izany ireo maro anisa ka hamaritra ny ho fitsanganan’ny governemanta vaovao. Efa tsy azo ihodivirana anefa ny hahazoan’ny Irmar ny maro anisa eny amin’ny Antenimieram-pirenena. 80 eo ho eo izy ireo, raha […]
Fanendrena tale jeneralin’ny Bianco: vehivavy ny dimy amin’ireo 28 mpifaninana
28 ny kandidà, hisafidianana izay ho tale jeneralin’ny Bianco. Anatin’ny fikirakirana ny antontan-taratasy ny tomponandraikitra. Dimy ny vehivavy amin’ireo mpifaninana. Hifarana amin’ny 6 aogositra ho avy izao ny fe-potoam-piasan’ny tale jeneralin’ny Bianco, izay dimy taona tsy azo havaozina. Manoloana izany, miroso ny dingana amin’ny fanendrena izay ho tale jeneraly vaovao. […]
FANTINA sy FINTINA
Nanao veloma ny Praiministra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny solontenan’ny FMI, i Mokhtar Benlamine, rehefa niasa roa taona teto amintsika. Nifantohan’ny dinika ny jery todiky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nambaran’ny vahiny fa nahafa-po azy ny fiaraha-miasa tamin’ny filohan’ny Repoblika sy ny governemanta. Niatrika fihaonana iraisam-pirenena tany Autriche, […]
Ramamimampionona Gérard: «Fampandrosoana no tena vokatry ny fifidianana»
“Ny tena voka-pifidianana dia tonga marina any amin’ny olona izay nomen’ny vahoaka fahefana na nofidiny ny fahefana, ka hampiasainy ho fampandrosoana ny vahoaka?”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, amin’izao fiandrasana valim-pifidianana depiote izao. Tena hampiasan’izay nofidina na ny fahefana nomena azy amin’izany, ka miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana […]




