Politika

Distrikan’Ankazoabo Atsimo : tsy mbola nandray karama ireo mpanisa mpifidy

Velon-taraina ireo mpanisa mpifidy. Nambaran’ireo misahana izany asa izany any Ankazoabo Atsimo fa tokony haloa ny tambin-karaman’izy ireo amin’izao fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao. “Mbola betsaka ny asa miandry anay. Tsy fantatray anefa hatramin’izao ny tambin-karamanay. Tsy mbola nisitraka izany izahay hatramin’izao”, hoy ny mpanisa mpifidy, […]

Fitsarana: fanaovana ny asa tsy vita ny fialan-tsasatra

“Raha ny tokony ho izy, ny 15 desambra ka hatramin’ny 15 janoary ny fialan-tsasatry ny fitsarana. Tsy araka ny filazana azy ny fialan-tsasatra hoe ndeha hikatona ny fitsarana ary handeha hitsangantsangana ny mpitsara”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rako­tozafy François, teny Anosy, afakomaly, momba ny fo­toam-pialan-tsasatry ny fitsarana amin’izao famaranana […]

“Raharaha volamena 73,5 Kg” : andrasana ny fampodiana ireo voampanga

“Efa nisy fangatahana nataon’ny fanjakana malagasy amin’ny fampodiana an’ireo voampanga aty an-tanindrazana, ary aty ry zareo no mamita ny saziny. Toy izany koa ny volamena, efa misy fangatahana ny fampodiana azy ireo aty Madagasikara”. Io ny fanazavan’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), […]

RMDM: mitaky ny hamoahana ireo gadra politika

Avo feo ny eo anivon’ny fanoherana. Nambaran’ny eo anivon’ny RMDM, tetsy Bel Air, omaly fa tokony hatsahatra tsy misy hatak’andro ny fisamborana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. «Atsaharo izany ary avoahy ato anatin’ny fotoana fohy ireo nogadraina noho ny resaka politika», hoy izy ireo. Notanisain’ny RMDM ho anisan’izany ny […]