Anisan’ireo nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny eny Avaradrano ny avy amin’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy, Andrianainarivelo Hajo, sy ny lisitra faharoa, Ratavilahy Andry. Nambarany ny anton’izao fandraisan’andraikitra izao. “Tapaky ny vovonana ny hirotsahanay. Tsy mbola vita ny tolona ho amin’ny fanovana ka fanohizana ny efa natomboka tamin’ny taona lasa izao mba […]
Politika
Fampahatsiahivan’ny Ceni: mitondra ny hetahetam-bahoaka ny depiote
Nampahatsiahy sy nampahafantatra ny andraikitra ary ny momba izany solombavambahoaka izany ny eo anivon’ny Ceni. Manamafy izany rahateo ny voalazan’ny lalàna. Voasoratra amin’ny Lalàmpanorenana, araka ny andininy faha-68, fa anisan’ny andraikitr’ireo solombavambahoaka ny mandany ny lalàna. Manara-maso ny asan’ny governemanta mpanatanteraka ary koa manao tombana ny politikam-panjakana ankapobeny. Tafiditra ao […]
Vahoaka miray: “Hevitra no mampandroso”
“Mbola mampirisika ihany aho fa izay olona tena manan-kevitra no aoka hofidina. Ny olona manan-kevitra no hampisondrotra sy hampivoatra an’i Madagasikara”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, ny amin’ny fahavitsian’ny kandidà ho depiote amin’izao. Nohasarotina ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, natao nidangana be koa ny […]
Razanamahasoa Christine: “Asa sy ady masina no atrehintsika”
“Asa masina sy ady masina no atrehintsika. Ady hampitoetra firenena tan-dalàna, firenena mandry fahalemana, firenena mandala fihavanana sy fitoniana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, taorian’ny nametrahany ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny ho depiote indray amin’ny anarany mahaleo tena ao Ambatofinandrahana, ny 8 avrily lasa teo. Nangatahin’ny vahoakan’ […]
Rabary Paul : “Efa manomboka zatra demokrasia isika”
Hanao ahoana izao fifidianana depiote izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Rabary Paul. Dinidinika. Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fifidianana depiote amin’izao? Rabary Paul (-): Fanavaozana ny fe-potoam-piasana izao. Efa vita ny an’ny […]




