Politika

Fifidianana depiote: manohana ny kandidà Irmar ny Ifi

“Ny vovonana nasionaly Ifi tarihin’ny filoha mpanorina, Ramanambitana Richard, dia manohana tsy misy fepetra ireo kandidà depiote atolotry ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), nahazo fankatoavana avy amin’ny birao foibe Arena ary neken’ny filoha Andry Rajoelina”. Io ny fanambaran’ny vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), […]

FANTINA sy FINTINA

Hamafisina ny fiambenana ny fonja amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, araka ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, nitsidika tany Miandrivazo. Notolorany karatra fanarahan-draharaha sy fitaovana informatika ho an’ny fitsarana koa ny any an-toerana. Nisitraka lalankely rarivato ny eny Ambodi­vona sy Ambohimanandray Ambohimanarina, araka ny fangatahan’ny mponina tamin’ny […]

Antoko RDS: «Tandindomin-doza ny fototra iorenan’ny demokrasia»

“Tsy afa-nanolotra kandidà ho solombavambahoaka kasaina hatao amin’ny volana mey 2024 ho avy izao izahay. Anisan’ny antony ny sakantsakana ara-bola toy ny fampiakarana natao tery vay manta ny anto-bola firotsahan-kofidina napetraky ny mpitondra ankehitriny”, hoy ny fanambaran’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), nosoniavin’ny filo­hany, Rakoto Andrianirina Fetison, nampitainy […]

Fifidianana depiote: maherin’ny 40 ireo dosien’ ny kandidà tsy ara-dalàna

Maromaro ireo tsy nahafeno ny fepetra. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa misy ireo kandidà tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy firotsahany. Mbola manana fe-potoana hatramin’ny anio anefa izy ireo. Miisa 46 ireo dosie an’ireo kandidà tsy ara-dalàna manerana ny Nosy, voarain’ny eo anivon’ny Ceni hatramin’ny faran’ny herinandro teo. “Tsy nahaloa ilay anto-bola […]

RMDM : “Aoka hadio ny lisi-pifidianana”

“Mba miangavy re: ataovy madio ny lisi-pifidianana, ary aoka tsy hisy hosoka. Raha misy hosoka hita, ho feno hosokosoka avokoa isika rehetra ary hifanosokosoka eto”. Io ny fanehoam-pijerin’ ny avy amin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), ny pasitera Edouard Tsarahame, teny Bel’Air Ampandrana, afakomaly, ny amin’izao fiatrehana […]