Politika

Association Gescod : Hiara-kiasa amin’i Boeny sy i Betsiboka ny fikambanana

Mitsidika an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ny delegasionina avy amin’ny “Association Gescod”. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly, tetsy Anosy, izy ireo. Niompana tamin’ny fiaraha-miombona antoka amin’ ny faritra ny dinika. Mpandraharaha ho an’ny fiaraha-miasa avy any amin’ny Région Grand Est, Frantsa, ireto […]

Depiote Ratsiraka Sophie : « Tsy azo ekena ny tsy fahamarinana »

Nitondra fanazavana manoloana ny « Raharaha Vato­mandry », ny depiote Ratsiraka Sophie. Mazava ny nambarany. « Tsy manome lamosina ny fanjakana aho fa manome lamosina ny tsy fahamarinana », hoy izy. Niarahaba ireo ben’ny Tanàna lany tamin’ny fahamarinana sy fomba ara-dalàna sy ara-demokratika ny tenany. Nankahery kosa ireo tsy lany nandritra iny fifidianana farany […]

Fampandrosoana eny ifotony : Miketrika tetikasa hovatsiana vola ny JCA

Efa nitondra anjara biriky ary mbola hanao izany ho fampandrosoana ireo tanora avara-pianarana any Antalaha ny « Jeunes Cadres d’Antalaha – JCA». Hanao hetsika izy ireo ho famatsiam-bola ny tetikasa ho an’ny mponina. Tafiditra amin’ny fampivoarana ny fiainam-piveloman’ny mponina any amin’iny faritra iny ny hetsika fanangonam-bola hataon’izy ireo. Hotanterahina eny amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Mitohy hatrany ny hetsika fanadiovana ka anisan’ny nitondra fanatsarana ny zaridaina sy nandoko ny faritra eo amin’ny Rondpoint Ambohidahy, ny sabotsy teo, ny solontena avy eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny tale kabinetran’ny minisitry ny Fitsarana, Rabearisoa Rochel sy ireo tale isan-tokony. Nanadio ireo toerana lehibe : tsena, arabe, […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Resy lahatra amin’ny Base Toliara ny rehetra”

“Na ny mpanohitra na ny fitondram-panjakana ary ireo raiamandreny rehetra, samy resy lahatra amin’izao fotoana izao. Hiroso sy handray an-tanana ary hijoro hiaro ny tetikasa”. Io ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny amin’ny fivorian’ny OMC Nat notarihiny tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ni­fampidinihana momba ny tetikasa Base Toliara niaraka […]