Politika

Antso avo avy amin’ny FFKM: “Aleo halalaka ny fanehoan-kevitra”

Nanao fanambarana, ma­noloana ny tranga amin’izao fotoana izao, ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Anisan’ny notakin’izy ireo ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra. Nambaran’ireo filoham-pian­gonana manoloana izao savorovoro sy fifampihantsiana isan-karazany izao fa ahina hipaka hatramin’ny fa­moizana aina sy faharavana fananana izany. Nanterin’izy ireo ny antso avo hifampiresahana toy ny efa natao […]

Kandidà Andry Rajoelina : tafapetraka ny IRMAR

Vonona ny handeha hatramin’ny farany ny kandida laharana fahatelo, Andry Rajoelina. “Tsy misy hahasakana antsika tsy hiroso hatramin’ny farany”, hoy izy. “Ankehitriny, raha kandidà aho: tsy misy olona na andian’olona na vondron’olona hahasakana antsika tsy hiroso hatramin’ny farany”, hoy ny kandidà n° 3, Rajoelina Andry, tamin’ireo mpanohana azy teny amin’ny […]

Fikambanana Sinoa eto Antananarivo : maneho ny safidiny amin’ny fifidianana

Mahatratra 1 000 mahery ireo sinoa mivondrona anatin’ ny fikambanana Sinoa eto Antananarivo, raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Sam James, tetsy Antsa­kaviro, omaly. Mizaka ny zompirenena malagasy avokoa ny ankamaron’izy ireo satria teraka teto Madagasikara. «Efa nanomboka ny taona 1940 no teto ny ray aman-dreninay», hoy ity filohan’ny fikambanana ity. […]

Fiatrehana ny fifidianana : nampirisika ny tanora ny Yols

Nanatanteraka hetsika fanentanana ny tanora hifidy teny ankadikely Ilafy, ao amin’ny distrikan’Avaradrano, ny sabotsy 30 septambra teo, ireo tanora mpikambana eo anivon’ ny “Youth Leadership Seminary -Yols”. Tanora mpikambana avy amin’ny antoko politika maro samihafa izy ireo ary nahazo fiofanana manokana teo anivon’ny “Friedrich-Ebert-Stiftung – FES”. Niezaka nampitovy fijery ary […]

Prefet Antananarivo : “Aoka isika ho tony sy ho mailo amin’ireo mpanakorontana”

Nanambara mialoha ny herinandro teo ny perefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo ny amin’ny tokony hitonian’ny rehetra. Niantsoany fahamailoana koa izany. “Aoka isika ho tony sy ho mailo tsara amin’ ireo mpanakorontana”, hoy ny prefet, Anta­na­narivo, ny jeneraly Ra­velo­narivo Angelo, teny Tsim­ba­zaza, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fiatrehana ny […]