Politika

Filohan’ny HCC : “Iray ny fitoriana voaray hatramin’izao”

“Efa manomboka izao ny fitoriana. Iray ny fitoriana voaray ato aminay, fa mety ho maromaro ato ho ato”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fitsa­rana avo momba ny Lalàm­panorenana (HCC), Rakotoa­ri­soa Florent, teny Ambo­hi­dahy, omaly. Taorian’ny fitsidihan’ny iraky ny OIF azy, niresahana ny amin’ny fitoriana amin’ny raharaham-pifidianana no nanambarany izany. Misokatra sy […]

Fifidianana solombavambahoaka : maro no tsy ho lany, tsy tia mpamadika palitao ny mpifidy

Kandidà maromaro, nanana andraikitra teto amin’ny firenena no ratsy toerana amin’izao fifidianana depiote izao. Naloan’ny vahoaka izy ireo noho ny fivadihana palitao matetika. Misy sahady ireo kandidà ahina tsy ho lany avy hatrany raha manjohy ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika, amin’izao fotoana izao. Anisan’izany, ny kandidà Hajo Andrianainari­velo ao Avaradrano. Brunelle […]

Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fifidianana solombavambahoaka”

“Ny zavatra azo ambara: isaky ny fotoam-pifidianana dia adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mandray anjara, misafidy izay olona safidiny, indrindra fifidianana solombavambahoaka no resahina”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, taorian’ny nanatanterahany ny fandatsaham-bato teny amin’ny Lycée agricole Ambatobe, omaly. Solombavambahoaka izay mi­tondra ny tenin’ny vahoaka, mijery izay mangirifiry ny vahoaka […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny HCC”

“Ny fisian’ny fitarainana tsy midika hoe tsy manara-dalàna ny zava-misy. Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Zon’ny mpifaninana amin’ny fifidianana sy ny olom-pirenena ny manao fitarainana araka ny tokony ho izy”, hoy ny Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta, i Ntsay Chris­tian, taorian’ny fandatsaham-batony […]

Fizotran’ny fifidianana: nisy ny tsy fahatomombanana tetsy sy teroa

Tamin’ny ankapobeny, nizotra sy nilamina saika nanerana an’i Madagasikara ny fanatanterahana fifidianana solombavambahoaka omaly. Na izany aza, nisy ihany ny tsy fahatomombanana tamina birao fandatsaham-bato sasany. Santionany ihany… Ani­san’izany, ohatra, ny teny Andranoro Ambohi­bao, kaominina Antehiroka, nisy ny bokim-pifidianana izay nosoniavin’ny olona tonga nifidy maraina. Nefa rehefa tamin’ny 10 ora […]