Dimy andro no tsy maintsy hamitan’ny sampana mpanisa vato (SRMV) ny asany, ary manana folo andro aorian’izay, hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny Ceni. Araka izany, tombanana amin’ny 8 jona ny voka-pifidianana vonjimaika. Alohan’ny 26 jona, amin’ny 24 jona, kosa no mety hanambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny voka-pifidianana […]
Politika
fihaonana an-tampony “Corée-Afrique” : handray anjara i Madagasikara
Hanainga anio sabotsy 1 jona, hihazo an’i Séoul, renivohitr’i Korea Atsimo, ny filoha Rajoelina Andry, sy ramatoa vadiny, hanatrika ny fihaonana an-tampony « Corée – Afrique » izay hatao ny 4 sy 5 jona ho avy izao . Fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-politika, diplomatika ary ara-toekarena eo amin’i Korea sy ireo firenena afrikanina […]
Fifidianana solombavambahoaka : naneho ny heviny ny vondrona iraisam-pirenena
Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo vondrona iraisam-pirenena, nanara-maso ny fifidianana teto Madagasikara. Tao anatin’izany no nitondran’izy ireo fanitsiana mahakasika ny lesoka hitany nandritra izany fifidianana izany. Nanatanteraka fanambarana teny amin’ny Novotel Ivandry ny avy amin’ny Sadc sy ny OIF ary ny Vondrona afrikanina, omaly. Mahakasika ny fahitan’izy ireo ny fifidianana solombavambahoaka […]
vovonana Safidy: “Nisy ny fanaovana herisetra tamin’ny fifidianana”
“Ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy no nisy fifampikasihan-tanana. Tsy nahitana mpanara-maso Safidy tany an-toerana, fa ny mpanara-maso Safidy no nanao fanamarinana nahalalana ny hoe nisy tokoa ny olona naratra”, hoy ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, afakomaly, […]
FANTINA sy FINTINA
Nanao antso avo amin’ireo tomponandraikitry ny filaminana, Antananarivo, ny eo anivon’ny vovonana Firaisankina, Rakotovao Rivo, fa hita ny fanomanana herisetra ao amin’ny boriborintany faha-IV amin’ireo mpomba ny kandidà roa mifanandrina. Anjaran’ny tomponandraikitra ny mandray izay tokony hatao amin’izany. Saika nitarika tamin’ny fironan’ny vokatra tamina biraom-pifidianana maro ny kandidà lah. 3, […]




