“Na vitsy aza ny toerana sy ny antoko politika ary ny kandidà narahi-maso, mbola mitovy amin’ny teo aloha ihany ireo singa manamarika ny fampielezan-kevitra. Misy ny fizarana vola etsy sy eroa, ny tsy fanarahan-dalàna samihafa, ny tsy fanajana ny zon’olombelona… ” Io ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny Transparency International-Iniative Madagascar […]
Politika
Ceni : “Tsy ekena ny hosoka”
“Tsy mitazam-potsiny ny Ceni fa aza matahotra. Tsy maintsy atao ny fanadihadiana fa sarotra ny tonga dia hanenjika olona. Tsy mitazam-potsiny izahay, ary tsy manaiky ny hosoka atao amin’ny fifidianana. Mahazo matoky ianareo”. Io ny hafatry ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, afakomaly, manoloana ny hoe ny fisian’ny […]
Fifidianana solombavahoaka: mipetraka hatrany ny fifandanjan-kery
Nipetraka hatrany ny lojika, ireo voasokajy ho kandida henjana no mitazona ny laharana voalohany amin’ny latsa-bato natao, omaly. Mbola matanjaka ny mpanohana fitondrana sy ny avy amin’ny vovonan’ny mpanohitra. Manoloana ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Ireo kandidà nilatsaka hofidina avy amin’ny antoko na vovonana voasokajy ho lehibe hatrany no nahazo vato betsaka, […]
Retogniane Durlin : “Manimba ny fifidianana ny tsindry amin’ny mpiasam-panjakana”
“Raha ny momba ny tsindry atao amin’ireo lehibem-pokontany: tsy vao izao no mitranga izany, rehefa ao anatin’ny fifidianana toy izao. Efa fanaon’ireo mpanao politika eo amin’ny fitondrana izay. Tsy ireo lehibem-pokontany ihany no iharan’izany, fa na ireo lehiben’ny boriborintany na lehiben’ny distrika na ireo prefen’ny polisy… Mandeha hatrany amin’ny mpiasam-panjakana […]
FANTINA sy FINTINA
Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-pianianana sy fandraisam-pahefan’ny filoham-pirenen’ny Nosy Kaomoro, i Azali Assoumani, tao amin’ny kianjan’i Malouzini, ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny 26 mey lasa teo. Fe-potoam-piasana fahatelo izay nandraisany fahefana izay. Anisan’ny nanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina teto Antananarivo izy, tamin’ny 16 desambra 2023. Mandray anjara amin’ny fanaraha-maso […]




