Politika

Madagasikara sy Chine: mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa

Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Ra­fa­ravavitafika, sy ny masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Ji Ping, ny talata teo, teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny, eny Anosy. Tanjon’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nandritra izany ihany koa no nanambaran’ny masoivohon’i Chine ny […]

Fanentanan’ny Ceni : manana zo haneho ny safidiny ireo sembana

Mitohy hatrany ny fanentanana sy ny fampahafantarana ataon’ny Ceni, amin’izao andro vitsy mialoha ny fifidianana solombavambahoaka izao. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny momba ireo mpifidy miaina anaty fahasembanana. “Manan-jo hanana mpanaraka azy arakaraka ny filany ireo sembana. Tahaka izany koa ireo manana olana eo amin’ny fahitana. Omena fitaovana efa voaomana izy ireo”, […]

Filohan’ny HCC : “Zon’ny kandidà ny mitory”

Fampahatsiahivana… Herinandro sisa dia hifarana ny fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana depiote izao. “Raha misy mahatsiaro fa voadona ny zony amin’ny hala-bato sy ny tsy fa­na­rahan-dalàna, zon’ny kandidà ny mitory any amin’ny Fitsara­na avo momba ny Lalàmpanorenana”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tany Toamasina, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny amin’izay mety […]

Rakotoarijaona Jerry : “Fifidianana no atao fa tsy fividianana olona”

Ao anatin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana depiote izao, tsy ilazaon’ny fizarana fanomezana etsy sy eroa. Ho tonga hatraiza? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM). Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fahazoana ny maro anisa amin’izao fifidianana depiote izao? Rakotoarijaona Jerry (-): Araka ny And. […]