Politika

Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile : “Hanaovana fampielezan-kevitra ny sosialim-bahoaka”

Tsy nitsitsy fitenenana. “Navadiky ny mpikamban’ny governemanta hanaovana ny sosialim-bahoaka, ary hanaovana fampielezan-kevitra eny an-toerana izany ny volam-panjakana natokana ho an’ny fotodrafitrasa”, hoy ny mi­nisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, momba ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fanombohan’ny taom-pambolen-kazo tany Ilaka Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’izany […]

Ceni : “Tsy maintsy hita ny vola hanaovana fifidianana”

Namaly ireo mety ho ahiahy sy fanakianana azy ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny ho enti-manana hanatanterahana ny fifidianana. “Tsy maintsy hatao ny fomba rehetra hahitana ny tetibola hanaovana io fifidianana io. Tsy hoe manana tetibola ny Ceni, fa tsy maintsy mitady amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka vonona […]

Fiatrehana fifidianana : miainga eo amin’ny fitondrana ny fitoniana

Amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao, tsy misy tsy manaiky sy miteny hoe ilaina ny filaminana sy ny fitoniana. Na izany aza, tsy ilaozan’ny mikorontana an-toerana na minia manakorontana. Mba ho tanteraka ny fambolena fanahiana sy tahotra ny mety hisian’ny kri­zy aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Misy hatrany fanelezana […]

Fangaraharan’ny fifidianana : miantso ireo mpanara-maso ny eo anivon’ny Ceni

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, ny fangatahan’ny Ceni ny amin’ny hiantsoana ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka sy firenena vahiny. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo fikambanana iraisam-pirenena sy ireo tsy miankina amin’ny fanjakana. Iantsoana azy ireo ny handefasana mpanara-mason’ny fifidianana iraisam-pirenena na avy eto an-toerana. “Hiasa mandritra ny […]

Antoko Fiombonana: “Tsy manana paikady ny mpitondra”

“Tapi-dalan-kaleha ny fi­tondrana. Hatramin’izao, tsy misy paikady mazava ny itondrana ny firenena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Re­tog­niane. Tsy tsapan’ny fitondrana ny amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, izay nandalo teo anivon’ny Ante­nimiera roa tonta tamin’ny taon-dasa. Efa mazava ny voafaritr’izany momba ny fandaniam-bola, taona 2023. Noho izany, […]