Politika

Filoha Rajoelina: “Ampirisihina ho kandidà ny vehivavy”

Mialoha ny fifidianana izao… Tao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, nampirisika ny vehivavy hirotsaka sy harotsa-kofidina ny filoha Rajoelina Andry. “Ho avy izao ny fifidianana solombavambahoaka. Mam­pi­ri­sika anareo vehivavy aho, indrindra ireo antoko politika: raha mbola azo atao ny manolotra sy misafidy ary mifidy vehivavy kandidà […]

Fifidianana: “Azo eritreretina ny hahamaro anisa ny mpanohitra”

“Mety azo eritreretina ny tsy hahamaro anisa ny eo anivon’ny fitondrana eny amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fi­om­bonana, Retogniane Durlin, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Hita fa miady izy samy izy manohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao, raha tsy hiresaka afa-tsy ny TGV sy ny Upar. […]

100 andron’ireo minisitra : mitaky vokatra miantraika amin’ny vahoaka ny Filoha

Nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika amin’ireo minisitra. Anisan’izany ny fandrefesana ny 100 andro amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Hentitra ny filoha. “To­ko­ny hahitana tetikasa goa­vana sy miavaka ahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy mipaka any amin’ny fiainam-bahoaka sy any amin’ny fandaharanasan’ny minisitera tsirairay […]

Rasoamaromaka Hery : “Tsy misy afa-misora-tena ho kandidà aloha izao”

Efa mandeha ny fisehosehoana sy karazana tsindry mialoha amin’ny haha kandidà ho an’ireo mpiara-dia sasany amin’ny fitondrana. Mazava anefa aloha hatreto ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ ny TGV, Rasoamaromaka Hery. “Tsy misy na iray aza aloha afaka mitonona fa kandidà avy amin’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoe­lina (Irmar). Anaty fifantenana […]

Kaominina manodidina an’Antananarivo: misitraka fiofanana ny Tomponandraikitra

Misitraka fiofanana, na­nom­boka ny 5 hatramin’ny 8 marsa 2024, eny amin’ny Fond de Développement Local (FDL) Anosy, ny tomponandraikitry ny kaominina manodidina an’ Antananarivo. Kaominina sivy, avy amin’ny distrikan’Atsi­mon­drano sy Avaradrano ary Am­bohidratrimo no miatrika izany. Ny Ivontoerana nasionaly momba ny fitsinjaram-pahe­fana (INDDL) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitsin­­jaram-pahefana sy ny […]