Politika

Vondrona IRD: hanolotra anarana praiminisitra miisa 3

Efa naneho fahavononana ny hanolotra anarana praiminisitra ny eo anivon’ny solombavambahoaka maro anisa IRD. Na izany aza anefa, mety tsy ho amin’izao no hanovana ny lehiben’ny governemanta. Nambaran’ny filohan’ny vondrona parlemantera IRD, Velontsara Paul Bert, fa hanolotra anarana praiminisitra izy ireo, mialoha ny hanendren’ny filoham-pirenena ny ho lehiben’ny governemanta. “Tsy […]

Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile: “Mila mitana fahefana amin’ny adihevitra ny mpitondra”

“Samy hafa ny olona ma­hay maka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana sy ny olo­na mitazona fahefana amin’ny alalan’ny fifanakalozana na ny adihevitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny minisitra teo aloha, ny jeneraly misotro ronono Tsa­ranazy Jean-Emile, ny amin’izay tokony hataon’ny fitondram-panjakana amin’ izao fiandohan’ny fe-potoam-piasana izao. ”Tokony hasehon’ny mpitondra ny fahaizany mitazona […]

Fahefana mpanatanteraka: hiova ny ho firafitry ny governemanta

Tsy hitovy amin’ny endriny ankehitriny ny ho firafitry ny governemanta vaovao, araka ny loharanom-baovao. Hohamafisina kokoa ireo departemanta hisahana ny fandaharanasan’ ny filohan’ny Repoblika. Heverina ny hametrahana sekreteram-panjakana ho an’ireo departemanta manokana tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena. Hampitom­bo ny ho isan’ireo mpikambana handrafitra ny governemanta izany. Tsy azo ihodivirana fa ireo […]

MPL Madagasikara: “Tokony havitrika amin’ny politika ny tanora”

Nitondra ny heviny manoloana ny toeran’ny tanora eo amin’ny fiainam-pirenena ny eo anivon’ny “Mouvement panafricain des leaders – MPL “, tarihin-dRazafindrazaka Stéphane. Nambarany fa tsy tokony hitazam-potsiny ny tanora.  “Aoka isika hiditra an-tsehatra mivantana eo amin’ny lafiny politika na ny fiainam-pirenena ankapobeny mihitsy“, hoy izy. Niaiky anefa ny tenany fa […]

Hanitrantenaina Fanoboha: “Sakana iadiana amin’ny kolikoly ny toe-tsaina”

Nitondra ny heviny manoloana ny ady amin’ny kolikoly ny mpitsara sady maintimolalin’ny fandaharanasa Yaly RLC Dakar, i Hanitrantenaina Fanoboha. Niaiky ny tenany fa mbola mitaky ezaka lehibe izany. “Anisan’ny sakana ny toe-tsaina efa zatra manao kolikoly. Ny tsy fanarahana ny lamina efa mipetraka sy ny fikarohana lalana ambanin’ny tany, iheverana […]