Politika

Randriamasinoro Rina : “Misy fetrany sy farany izao”

Niara-nanamarika tamin’ny vehivavy Tim ny Andron’ny 8 marsa, omaly, ny sekretera jeneralin’ny antoko, Randriama­si­noro Tahiry Ny Rina. “Misy fetrany ny fanaovana tsinontsi­nona antsika io”, hoy izy tetsy Madera Namontana. Nitondra vary sy nizara “yaourt” ho an’ireo ankizy ny tenany tamin’izany. Nifamotoana teny Anosizato izy ireo taorian’ny diabe natao rehefa avy […]

Andron’ny 8 marsa : nitsinjo ireo vehivavy sy zokiolona ny Fimmar

Natao tetsy amin’ny Aca­demica Andohatapenaka ny hetsika sosialy nokarakarain’ ny Fikambanana mpiara-mitolona miaraka amin’ny Andry Rajoelina (Fimmar). Tafiditra amin’ny fankalazana ny An­dron’ny 8 marsa izany. Nam­baran’ny mpandrindra eo anivon’ny boriborintany I, Andria­maro Toussaint, na i Bôlô, fa maherin’ny 100 ireo renim-pianakaviana nisitraka izao hetsika izao. Ahitana vary, menaka, savony (PPN) […]

Firaisamonina sivily: “Mila hajaina ny lalàna”

“Miandrandra zotram-pifidianana malalaka, mangarahara, mampiaty ary azo itokiana izahay, ka manolo-kevitra ny hanajan’ny mpiantsehatra rehetra ny lalàna velona sy ireo fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny fanambaran’ny fikambanana 50 eo ho eo, nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, afakomaly, taorian’ny atrikasan’izy ireo teny Antanimena, nandritra ny roa andro. Tolo-kevitr’izy ireo ho an’ny fitondram-panjakana ny fananganana ny […]

Fitsaboana maimaimpoana : efa nahavita fandidiana olona 6 500 ny Mercy Ships

Efa nigadona eto amintsika, ao Toamasina, ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Ao anatin’ny fandaminana farampa­rany amin’ny hirosoana amin’ny fandidiana maimaimpoana ireo mpitsabo amin’izao fotoana izao. Maherin’ny 6 500 ireo efa nandalo, nodidiana maimaimpoana tamin’ ity sambo hopitaly ity teto amintsika, nanomboka ny taona 1996 ka hatramin’ny taona 2023. Anisan’ny anaovan’izy […]

Razanamahasoa Christine : nihaona tamin’i Emmanuel Macron

Anisan’ireo vehivavy filohan’ny Antenimiera niakatra ny Lapan’i Elysée, any Frantsa, afakomaly, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nifampiresaka fohy tamin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ity lehiben’ny Andrim­panjakana ity tamin’izany. Anisan’ireo mandray anjara amin’ny fihaonamben’ny vehivavy filohan’ny Antenimiera maneran-tany na ny “Sommet mondial des Présidentes d’Assemblée des cinq continents” any Paris, ny […]