Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS), Fetison Rakoto Andrianirina. Anisan’izany ny momba ny demokrasia. Gazety Taratra (*) : Hita sy miseho amin’izao herintaona tsy hifaran’ny fe-potoam-piasan’ny filoha Rajoelina izao ireo antoko politika na kely na lehibe. Anisan’izany ny antoko […]
Politika
Faritra Vatovavy: nanamafy traikefa ny mpanao gazety
Nisitraka fiofanana ireo mpanao gazety miisa 25, any amin’ny faritra Vatovavy. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny traikefa efa ananany izany. Mivoatra hatrany rahateo ny asa fanaovan-gazety manoloana ny fanatontoloana, ny fivoaran’ny teknolojia, ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny toekarena sy sosialy ary ny fiarahamonim-pirenena. Itakiana ny fampanarahana ny asa fanaovan-gazety amin’ny fenitra […]
Soja Jean André: “Mila hajaina ny maha olom-boafidy”
“Isika olom-boafidy sy olom-boatendry no manao ny ataontsika dia mianjera any amin’ny filohan’ny Repoblika avokoa ny hadalana ataontsika”, hoy ny filohan’ny antoko Liaraike, i Soja Jean André na i Kaleta, manoloana ny fisian’ny olom-boafidy mihoa-pefy. Miteny amin’ny maha filoha lefitry ny Antenimierandoholona nandritra ny fe-potoam-piasana roa azy teo aloha […]
Tafatsangana ny vaomiera parlemantera: ho raikitra ny fanadihadiana ny “Raharaha Ikongo”
Tafatsangana eo anivon’ny Antenimiera, ny vaomiera mpanadihady ny “Raharaha Ikongo“. Nifanazava ny fomba fahitany izany sy nifampatsiahy ny tranga niseho ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary (Seg), ny Jly Serge Gellé. Tsy nitsitsy fitenenana ny depioten’Ikongo, Razafintsiandraofa Brunelle, teny Tsimbazaza nilaza fa anisan’ny nahatonga ny tranga […]
Fanisana mpifidy: efa mihoatra ny 14% ny taha
“Efa mihoatra ny 14% ny taham-pisoratana anarana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Ralaisoavamanjaka Andriamarotafika, ny amin’ny amin’ny fanisana mpifidy nandritra izay iray volana sy tapany izay ao anatin’izao fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao. Izany hoe ao anatin’izay ireo faritra vao tamin’ny herinandro lasa ny nanomboka […]