Politika

Fiara natao lavanty tao Toamasina : nampidi-bola 281 tapitrisa Ar mahery ny Arai

Nahatafiditra vola 281 850 000 Ar tao anatin’ny ora telo ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanagiazana ny fanana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), tao Toamasina. Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna ny nanaovana lavanty ho an’ireo sahy lafo indrindra ireo fiara miisa 17. Miisa 3 avy ireo fiara […]

Ceni : «Miankina amin’ny tetiandro ny lisi-pifidianana hampiasaina»

Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa hirosoana sy tanterahina hatrany izany. “Na misy fifidianana na tsia, tsy maintsy ataon’ny Ceni izay fanavaozana isan-taona izay. Miankina amin’ny tetiandro hanatanterahana azy ny fifidianana ho avy manaraka eo”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamaro­tafika Soava, […]

Fifidianana depiote sy ben’ny Tanàna : nanofanina ireo vehivavy te ho kandidà

Nanofana ireo vehivavy liana ka te ho kandidà amin’ny fifidianana ho avy ny eo anivon’ny Filankevitra nasionaly ho an’ny vehivavy (CNFM), omaly. Nambaran’ny filohany, Andriamasy Estelle, tamin’izany fa nampahafantarina ireo mpiofana ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny andraikitr’izany ben’ny Tanàna na mpanolotsaina kaominaly izany. Ny fanamafisana ny fahaiza-mitarika ary ny tokony […]

100 andron’ny filohan’ny Repoblika : hofantenana ireo sahirana hisitraka trano sy tany

Manomboka avy hatrany ny asa. Navoaka ny drafitrasa 100 andron’ny filohan’ny Repoblika. Misongadina ny  sosialy sy ny fambolena ary ny fahasalamam-bahoaka. Hotsinjovina manokana ireo tokantrano tena sahirana ka hofanina mandritra ny 3 volana amin’ny fambolena sy fiompiana ao anatin’ilay teknika « PFUMVUDZA ». Efa nahitana vokatra tsara tany amin’ny firenena […]

Herimanjaka Tsilavo: “Omena ny fizakan-tenany ny faritra…”

Nitondra vahaolana ma­noloana ny raharaham-pirenena i Herimanjaka Tsilavo. Nam­barany fa mila mifampidinika ny hery velona rehetra ary ho­vaina ny Lalàmpano­renana. “Tokony hiditra amin’ny Re­pobli­ka fahadimy isika… Ome­na fizakan-tena ny faritra sy ny faritany fa tsy mety amintsika intsony izao fitantanana ny firenena, efa am-polo taona izao”, hoy izy, tetsy Faravo­hitra, […]