Nanao tohivakana ny fandraisan’ny filohan’ny Repoblika ireo ambasadaoro, miisa telo teny amin’ny Lapan’i Iavoloha, omaly. Niompana amin’ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo firenena ireo ny fihaonana tamin’izany. Anisan’ny noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, ny masoivohon’i Irland, i Patrick Empey, nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika. Nambaran’ny vahiny tamin’izany fa nojerena […]
Politika
Vami: “Hahazo ny maro anisa ny Firaisankina”
“Tokony hahazo maro anisa ny Firaisankina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Nefa ny ahiahy tsy ihavanana: tsy maintsy misy hampiasa vola sy fahefam-panjakana. Eo ny olana: hahazo ny maro anisa parlemantera ve ny mpanohitra? Fifidianana manaikaiky vahoaka […]
Soalihy Moussa : “Iankinan’ny fahamarinan-toerana ny fifidianana”
“Tsara mitambatra koa fa tsy tokony hisaraka amin’izao fiatrehana fifidianana izao fa iankinan’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana ny fifidianana solombavambahoaka”, hoy ny mpandinika politika, i Soalihy Moussa, ny amin’ny fifidianana depiote. Tsy tokony hohadinoina fa tsy fifidianana fotsiny no atrehina amin’izao fa eo koa ny amin’ny fahamarinan-toerana politika. Rehefa marin-toerana ny eny […]
Ramamimampionona Gérard: “Mifangaro ny fifidianana sy ny fividianana olona amin’izao”
Amin’izao ankatoky fifidianana depiote izao, efa misy izay mihevitra na heverina ho kandidà no midina ifotony. Misy ny efa manome fanampiana etsy sy eroa. Midika inona? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana amin’izao. Dinidinika… Gazety Taratra (*): ny fihitanao ny fiatrehana fifidianana amin’izao? Ramamimampionona […]
Fampiroboroboana ny toekarena : antoka hampandrosoana ny indostria
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-panjakana ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, tanjona ny hampandrosoana ny toekarena entina hanatsarana ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra. Nihaona tamin’ny masoivohon’i Belzika, Peter Maddens ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, omaly tetsy Ambohidahy. Niompana tamin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. […]




