Politika

Filoha voalohan’ny fitsarana tampony: “Tsy handroso sy hilamina isika raha tsy tan-dalàna…”

Notanterahina, omaly, tetsy Anosy ny fitsarana ma­netriketrika, nanamarihana ny fiafaran’ny taom-pitsarana 2022 ary nanokafana ny taom-pitsarana 2023. Noraisina tamin’izany koa ny fianianan’ ny filohan’ny fitsarana fandravana sy nametrahana azy amin’ ny toerany. Nambaran’ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rakotonavalona Ranary tamin’izany fa mametraka ny lalàna ho ambony izany fanjakana tan-dalàna izany […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara”

Nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nambarany tamin’izany fa mipetraka ny demokrasia eto amintsika. “Isika ihany no mahatsapa fa malalaka dia malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasi­kara. Ny mpanao politika na vondron’ny mpanao politika na vondron’ny antoko politika malalaka amin’ny fitenenana. Mampiseho izany fa mala­laka ny fanehoan-kevitra politika […]

Fanohanana ny fambolena… Nomen’ny Bad sy ny Fida 500  tapitrisa dolara i Madagasikara

Nahazo fanohanana ny tontolon’ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo. Resy lahatra tamin’ny fandaharanasan’ny filoha Rajoelina Andry ireo mpamatsy vola ka hanampy antsika. Nahazo vola mitentina 334 tapitrisa dolara avy amin’ny Bad ary 200 tapitrisa dolara avy amin’ny Fida i Madagasikara. Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana momba ny sakafo sy ny fambolena […]

Razanamahasoa Christine… “Mampahery ireo traboina isika”

Tsy nanadino ireo anaty fahasarotana. Niarahaba sy nirary soa ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine sy ny birao maharitra eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza, omaly, ireo mpiasa eny amin’ity Andriampanjakana ity. Nanaovana jery todika tamin’izany ny asa vita sy ireo vina koa fanatsarana mbola hatao eo amin’ny fiaraha-miasa. Nirary soa sy nitsodrano […]

Otrikafo… “Tsy manakana ny fifidianana izahay”

“Tsy manakana ny hisian’ny fifidianana izahay, fa mila mitandrina ihany isika. Tokony hialohavana fifampiresahana io fifidianana io. Tsy olana izay anarana iantsoana izay fifampiresahana izay, fa ny fisian’izay fifampiresahana izay no zava-dehibe mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana.” Io indray no fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, manoloana ny fandrisihan’ny […]