Politika

Fihaonana tamin’ny filoha Rajoelina Andry : hanamafy ny fiaraha-miasa ny Mgr Thomasz Grysa

Nanolotra ny taratasy ma­nendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny “Nonce Apostolique”, ny Mgr Tomasz Grysa. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izany. Nambaran’ity solontenan’ny fiketrahana Masina ity fa vonona hatrany ny hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa amin’ny firenena malagasy ny any Vatikana. “Hifanome ta­nana amin’ny fitondram-panjakana […]

Fitantanana sy andraikitra: Olan’ny ben’ny Tanànan’Antohobe Betafo ny tsy fahampian’ny tetibola

Iza izy ? Randria­niaina­tsi­marofy Joseph Antoine. Fantatra amin’ny solon’anarana Naina Bina. Ben’ny Tanànan’ny kaominina An­tohobe, distrikan’i Betafo. 37 taona ary manambady sy niteraka telo mianadahy. Anisan’ ny sakafo ankafiziny ny vary maina miaraka amin’ny trondro. Mpankafy sy efa nilalao baolina kitra ny tenany. Anisan’ny fialamboly tiany ny mihira. Eo koa […]

Pasitera Tsarahame E. : “Andao hifampiresaka aloha…”

Maniry fifidianana madio sy eken’ny rehetra ny mpanohitra amin’ny fifidianana ho avy eo. “Ny firosoana amin’ny fifampiresahana sy fikaonandohan’ny rehetra ao anatin’ny fo madio, milamina ary tony ny vahaolana tsara indrindra”, hoy ny pasitera Tsarahame Edouard, omaly, tetsy Bel Air. Soso-kevitra entina mamaha ny zava-mitranga eto amin’ny firenena io fa […]

Pasitera Razafindramanitra Nestor: “Tsy lampihazo politika ny polipitra”

“Natao hampitana ny hafatr’Andriamanitra ny polipitra izay an’ny fiangonana. Marobe ny vahoak’Andria­manitra, samy manana ny heviny, samy manana izay andrasany ao am-piangonana. Tsy lampihazo politika ny polipitra, tsy natao hanehoana ny hevitry ny tena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafidramanitra Nestor, momba […]

Andriamarotafika Soava : “Miankina amin’ny lalàna mivoaka ny fahazoan’ny diaspora mifidy”

Araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, hahazo hifidy ny teratany malagasy any ivelany na ny diaspora. Maneho ny fijeriny ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava: “Miankina amin’ny fivoahan’izay lalàna na didim-panjakana izay ny hahazoana mampiditra an’ireo teratany malagasy any am-pielezana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.” Dinidinika… Gazety […]