“Tsy ny fidirana ao anatin’ny fitondrana no mahamaika anay. Mety ho fiantraikan’ny fifampidinihana izany. Raha hatao izay fifampidinihana izay, sarotra ho anay ny hiditra ao anatin’ny governemanta hijoro eo. Sarotra ho anay ny hanaiky ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC)”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain […]
Politika
Randriamasinoro Rina: nahazo sazy mihantona roa taona
Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ho an’ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina ka roa taona, sazy mihantona, no azony tamin’izany. Anisan’ny niampangana azy ny fitarihana hetsika sy fidinana an-dalambe tsy nahazoana alalana sy ny fanaovana herisetra amin’ny mpitandro filaminana. Nosamborin’ny zandary teo Ambohijatovo, ny 2 oktobra teo, andro […]
44 taona ny fehinkevitry ny ONU : mila firaisankina ny fitakiana ireo Nosy malagasy
“Feno 44 taona ny datin’ny 12 desambra 1979, nisian’ny fehinkevitry ny Firenena mikambana (ONU) izay manainga ny firenena malagasy sy firenena frantsay hifampiresaka. Feno efa-taona ny fakan-kevitra natao teny amin’ny CCI, Ivato, tamin’ny 11 desambra 2019, momba an’ireo Nosy malagasy”. Izay fampahatsiahivan’ny filohan’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, omaly, momba ny fitakiana […]
Fianianan’ny filohan’ny Repoblika: hizarana tapakila avokoa izay ho eny Mahamasina
Nitondra fanazavana tetsy Mahamasina, omaly, ireo tomponandraikitra isan-tokony amin’ny fanatanterahana ny lanonana fametrahana ny filohan’ny Repoblika ny sabotsy izao. Efa vonona avokoa ny arofenitra rehetra sy ny fandrindrana ny filaminana. Hisokatra amin’ny 6 ora maraina ny vavahadin’ ny kianjabe. “Hizarana tapakila avokoa ireo rehetra hanatrika ny lanonana ary tsy hisy […]
Zon’olombelona: mitaky ezaka amin’ny fanjakana ny ONU
Nomarihina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona raha tokony ho ny 10 desambra teo izany. Notanterahina teny Andohatapenaka ny hetsika niarahana tamin’ny Firenena mikambana (ONU) sy ireo mpisehatra rehetra, toy ny fiarahamonim-pirenena sy fikambanana samihafa. “Mbola mila ezaka lehibe ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena momba ny fanajana ny zon’olombelona”, […]




